lun.
27
juin
2011
Mampirehareha ny Malagasy hatramin’izay ny mbola tsy nisian’ny ady an-trano teto amin’ny tanàna. Na dia maro aza ny krontana sy ady lahy politika, mbola hendry ny Malagasy, hoy ny fitenenana. Ary atsy ho atsy? Ny zavanitranga tamin’ny zoma teo no mampiahiahy. Teo amin’iny lalana eo anoloan’ny ex-Gauloises hidina mankany Behoririka iny, no niseho ny tantara.
Tsy mankaiza e!!!
Efa ho antsasaka’adiny no nihitsoka ny fiara rehetra, mifanindran-dalana enina izy ireo. Tsy hita anefa izay tena antony, fa dia tsy mihetsika fotsiny izao. Ny vahoaka no indreny mitandrozotra, na miakatra na midina. Tsy tapitapitra izay, nivoaka ny fiarany ireto olona anaty 4x4 tao ampovoany tao, irony fiaran’ny mpitondra amin’izao fotoana izao irony, fiataratra mainty. Ninanaka be i lay razoky misolomaso mainty, nitabataba kaniantso ny yeo anoloany mba handroso. Amin’izany, mbola mampaneno fanairana. Tsy naharitra anefa ireto lehilahy roa hafa. “Raha mahay, manidina. Hita fa tsy afaka, ka no mbola….”. “Raha mahay mihitsy, dia batao ireo fiara ireo mba handrosoana”, sns. Nipirina tampoka ilay razoky. Nanidy ny fitaratra, dia niandry. Toy ny olondrehetra ihany. Mbola tsy mankaiza koa Tao aoriana tao koa, avy any Soarano tany ilay razoky hafa. Fiaran’ny FIS no nentiny. Kiririoka tsy nifandrenesana sy feona fiara mankarenin-tsofina no heno. Avy hatrany dia nitratrevatreva. Toy ny manome tsiuny nyhafa tsy manome lalana azy. Toy izay ihany koa ny valiny. Nanidy fiara no hany hery, nialàna ny hatezeran’ny manodidina. Fa tsy izay manana feo mitrerona, na izay manam-basy, no mitondra mankaiza na ahafahana manery ny hafa hanatanteraka ny sitrapon’ny te hahazo tombony. Toy ny tsy hampanekena ny tsy mety amin’ny hafa no hahatafavoaka ny firenena. Raha izao no mitohy, ny kely no hananatra ny “lehibe”. Fa lehibe toy ny inona moa?
Raivobe
lehibe tsy amn-tsaina !!! Mandreraka tsssss manao didin'ny be sandry fotsiny! Fa angaha raha manan-tsandry dia mihevi-tena ho dadany? Manidina marina raha maika eeee!
mbola aiza ny hahazo azy e!mihevitra izy ireo fa azy ireo ny tany,any aminy hono ny basy,any aminy ny fahefana ka de zay tiany no tsy maintsy hatao!mbola ho ela isika vao handroso marina,ny hany mba fandrosoana kely nananana nalevina in8 nandifotra toy ny anaran'ilay nitondra azy.zao ka na bianco na justice na mpitandro filaminana samy tsy hay intsony hoe mbola mba miasa ihany ve?toa tantely afa-drakotra isika.
Aleo ihany ny boay kely no itodra ny frenena e! Ny antitra tô mano retour d'âge.
