sam.

25

juin

2011

Zazavavin-drano : Tandremo ny manota fady !

Tsy haiko aloha ny tena marina, fa tamin’ izahay (mpianatra) nandeha nanao “voyage d’études” indray mandeha, dia nisy renirano nilalaovanay, rehefa ndeha hody. Izaho tsy mahay milomano ka tsy sahy niditra lalina loatra. Ny namako rehetra avy hatrany dia nanala akanjo ka niroboka sy nilalao. Vetivety teo anefa, tsy hita ny namany anankiray. Sendra tafiditra tao ambanin’ilay riandrano izy dia tsy niverina intsony. Efa hariva be vao lasa nitady ny mponina teo an-toerana izahay, sady mitomany no matahotra ihany. Teo vao fantatray fa hay tsy azo itondrana kisoa ilay toerana. Izay anefa ny sakafonay ny antoandron’io ary tsy nisy nihevitra ny hanasa tanana. Somary nikenonkenona tany anaty trano tany ny ray aman-drenin’ilay tanàna, ary namefy anay tsy handehandeha intsony fa sao manao zavatra tsy mety any indray...

Tsy fantatray mazava ny zava-nataony, fa ny ampitso dia nilazany fa tsy ho hita ny “havanay” raha tsy manaiky izahay fa tsy hiresaka na inona na inona any ivelany any. Nampalahelo fa ny fatin’ny namanay no nentinay nody. Na ny ray aman-dreniny aza tsy mahalala ny tena anton’ny nahafatesan’ny zanany afa-tsy ny hoe “maty an-drano” ary tsy nisy afaka ny nanavotra azy izahay namany. Any amin’ny faritra andrefan’ny Nosy any dia lazaina fa misy “zavatra” tokoa. Ny mponina any efa mahafantatra fa raha sendra misy maty andrano dia tsy misy azo atao afa-tsy ny mionona. “Tsy ho azo intsony ny razana rehefa izay no tian-dry zareo” any. Raha ny resaka ody fitia, dia tena mandaitra io. Tsy resaka setron-tsigara fotsiny, na ranomanitra akasoka amin’ny tanana, na ireo fanafody alatsaka anaty sakafo, fa ao ihany koa ireo harena be toy ny vola sy trano be. Ny tovovavy ankehitriny, raha vao mahita olona be vola, dia efa roboka, satria mahavita ny filàny. Mihitatra ny sain’ny tanora amin’izao fotoana, ka mitady tetika mba ahafahany hitampikiran’ilay lehilahy be vola aminy, ka manatona ireny olona mpitaiza ireny. Aoka anefa tsy hanandrakandran-doza, satria be ireo lasa nivoaka alina noho izany. Raha ny voalazan’ity mpitsabo etsy 67 ha ity, dia ny fampiasan’ny olona vovo-paty, na alefa any amin’ny toeram-bazimba ny sarin’ilay olona tiany asiana izany, na ihany koa ny singan-dambany no anton’ireny fivoahana alina ireny. Mila mailo amin’io, satria tsy ny fitetehana vazaha no handehanana hanao ny tsy fanao. Ny ataonay, hoy ity mpitsabo ity, dia ny mamerina ny olona nisaram-panambadiana, na tokan-trano mikorontana. Misy ireo olona maniry ny hanana olon-tiana, ary vitanay no mampitambatra azy ireo, raha toa ka tsy mbola manam-bady ilay olona. Be no efa mitokan-trano amin’izao, ary efa niteraka ankehitriny, izay miaina ao amin’ny tokantrano sambatra amin’izao fotoana izao. Izay tokoa ny hoe anjakao ny zava-bohary, saingy tandremo ny olona afaka hanampy ny tena, sao mijabaka, hoy i Noelah.

écrire commentaire

Commentaires: 4

  • #1

    JJay (jeudi, 29 septembre 2011 11:28)

    Ny mahavariana ahy amin'ity lahateny ity dia izao,ahoana no natao hoe zazavavin-drano?

  • #2

    gris (vendredi, 07 octobre 2011 17:00)

    m

  • #3

    nampoina (jeudi, 09 février 2012 13:31)

    hita oa! inona mmaria ny tena marina e?

  • #4

    befikabe (dimanche, 26 février 2012 22:31)

    sao kosa ary dia zazavodindrano le izy

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra