sam.
25
juin
2011
Tsy tora-po no hilazako izany, fa mamisavisa ireo teny voalaza tao ho ao no mahatonga ny penina niainga. Raha vao nivoaka ny fanambarana nataon’ny SADC avy atsy Afrika atsimo milaza fa mody tsy misy fepetra eto Ravalomanana, dia niteny ireo mpanao politika kanosa nilaza fa «aleony hono mamono tena, toy izay Ravalo no tafiditra eto». Fantatrareo tsara io olona io, ary tsy zoviana amin’ny maro ny toetrany, satria mpanao politika avy nigadra izy io...
ary nohafahan’i Andry Rajoelina raha vao tonga teo amin’ny fitondrana izy. Ny 17 ka hatramin’ny 20 Jolay izao no hamaranana ny sonia momba ilay tondrozotra ary hatao eto Antananarivo hono. Ataoko hoe hono, ary ireo filohan’ny ankolafy no hanao izany sonia izany, fa tsy rangopohy. Ho avy eto Ratsiraka sy Ravalomanana, ary dia eo no hilazako hoe be no hamono tena, satria ho avy ireo olona nanaovany voady, fa aleony maty toy izay ho tonga eto Ravalo. Sahy hanao izany izy, sa mba vavabe fotsiny?
Tavarisy Anosipatrana