sam.

25

juin

2011

Ny refin’ny fivaviana : 8 sm no «bien» !

Mampiasa saina ny lehilahy matetika ny habe na halavan’ny filahiany, indrindra ireo ampideraderan’ny namany ny halava na ny haben’ny azy. Mahavelon’ahiahy ny lehilahy ny hoe sao dia kely na fohy loatra ny filahiany ka toy ireny “mandona kankana” ireny fotsiny rehefa miray amin’ny olon-tiany na ny vadiny, satria tsy azony an-tsaina ny refin’ny fivaviana sy ny lalan-jaza hitsofohany mandritra ny firaisana ara-nofo...

Ny halaliny

Sokajiana ho an’isan’ireo faritra tena «mahamaola» ahazoan’ny vehivavy fahafinaretana ny fanafosafoana ny «vagin» sy ny «clitoris». Eo amin’ny 8 sm eo ny halalin’ny fivaviana amin’ny ankapobeny. Izany hoe tsy dia lalina loatra araka ny faminanian’ny tovolahy azy. Mety hitombo eo amin’ny 50 % eo anefa, izany hoe 12 sm, io halalin’io arakaraky ny mampangorintsina sy mahahetsaka ilay vehivavy, araka ny voalazan’ny manam-pahaizana. Tena mahalana mihitsy noho izany ny tsy hampilentika hatrany amin’ny «tendakelin’ny lalan-jaza» ny filahiana rehefa miray ara-nofo ny vavy sy lahy, raha tsy hoe sembana na fohy vokatry ny aretina nahazo tany aloha ny taovampananahan’ny lehilahy.

Ny savaivony

Ny haben’ny lavaka indray dia miovaova satria 0 sm izy rehefa mikatona ary mety hiitatra hatrany amin’ny 10 sm ny «vagin» rehefa miteraka ny vehivavy. Miitatra araka izay haben’ny filahina mitsofoka any anatiny noho izany ny «vagin», ka na manana ny lehibe sady lava ny lehilahy, na kely sy fohy antonony dia afaka manala hidihidy hatrany satria mivady amin’iny hatrany ny fisokafan’ny «vagin» eo amin’ny vehivavy. Tsy tokony hiahiahy noho izany ny lehilahy, satria misy koa anie ilay fitenenana hoe «raha mangidihidy ny lavatsofina tsy ny ankihikely ve no hitrairana azy?»

 

 

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    taj.manda@yahoo.fr (mercredi, 14 mars 2012 22:07)

    pauvre malagasy!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!! vous detruisez ce qui est bon en nous, il ne reste plus rien, fiavanana? fahendrena? la valeur d'un pays se renferme dans ses citoyens

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra