sam.

25

juin

2011

Namela «heloka»

Na dia samy nahita ny mangidy tamin’ny nataondRamose aza ny tropin’i Deba tamin’ny fotoan’andony dia anisan’ireo niavaka ve iny olona iny? Tsaroana ihany mantsy fa tena nangidy mihitsy ilay nibabena azy tery an-tanimbary tery. Ny nifonjan’iny olona iny teny Antanimora teny, ny nandefasana azy hitsabo tena (maika) nandritra ny valo taona latsaka kely tany andafy tany. Tafasaraka tanteraka tamin’ny fianakaviany sy ny olona akaiky azy iny olona iny noho ny politika sy ny hetsika niseho teto nandritra ny taona 2002. Naverimberinin’iny olona iny koa teo aloha teo fa sarotra ny hanadino ny nanjo azy, satria nihatra aman’aina sy nitondrana ny mafaitra tokoa izany…Saingy mahay mamela «heloka» iny olona iny ary efa nasehony sy nambarany ampahibemaso fa tsy manana olana amin’ilay Ramose izy. Dingana mahagaga tokoa anie no vitan’iny olona iny raha izany e?

Izay rehetra niteny rehetra manko tato ho ato izay dia samy litika, ary tsy mivonona ny hanadino amin’ny fomba tsotsotra ny vitan’iny Ramose iny mihitsy. Tsy mety nanakom-pery mihitsy ny ratra nanjo ny «sasany» ary mihevitra ny tsy ho tratra ny aloka mihitsy amin’ity politika ity. Sarotra ny manadino, sarotra ny hihavana amin’ny olona «mpanao ratsy» sy nandratra ny tena tamin’ny endriny maro samihafa. Dia inona tokoa àry raha izany no «tambavy» nohanin’iny olona iny ka nahavitany nitsabo ny «aretina» nampiziogaina azy? Tamin’ny fomba ahoana no nahasitrana ny feriny sy ny ratrany? Nahoana tokoa raha zarain’iny olona iny izany fanafody mahagaga tany aminy izany? Sao mba izany no tsy ampy amintsika eto ka mba hialàntsika amin’izao saritaka tsy hay ho vahana izao? Azo heverina ve fa vitsy kely ny Gasy toa iny olona iny? Toa maromaro ihany mantsy no nanara-dia azy amin’ity famelan-keloka ity saingy tsy mampino ny rehetra mihitsy ny fihetsik’izy ireo. Betsaka dia betsaka tokoa ohatra, ny tsy mahazo ny fihetsiky ny mpomba ny Profesora Zafy izay nitondra ny mafaitra ihany koa kanefa afaka mifanindran-dalana tsara amin’ilay Ramose. Ao amin’ireo mpomba an-dRatsiraka koa dia tsy vitsy no mihiaka ny fifamelana ka tsy nihevitra akory ho holatra tsy hay kosehina ny nanjo azy ireo. Fa aoka kosa hazava fa ireo rehetra mamela sy manadino ny nataon-dRamose dia ireo rehetra tsy mbola tonga any anaty lapam-panjakana, ary dia anisan’izany iny olona iny. Koa sao dia resaka toerana sy fikatsahana ny tombotsoa manokana ihany indray àry ity mody mifamela heloka ity? Tsy fantatra sy tsy hay avahana intsony ts’inona ny fihetseham-po sy ny resaka politika ho an’ireto te-hitondra an’i Madagasikara ireto. Dia hifaninana eo amin’ny fifidianana anie izay iny olona iny sy ilay Ramose e, dia mety hanao ahoana ny fampielezan-kevitra? Sa any indray vao hifamorika? Sanatria kosa angamba e!

Dadan’i Ranto

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra