sam.
25
juin
2011
Ny 76,5%-n’ny Malagasy no voalaza fa mahant ra tamin’ny taona 2010, raha 68,7% ny taona 2005. Ny ambara amin’ny hoe mahantra dia izay miaina ambanin’ny Ar 468 800 isan’olona isantaona. Anisan’ireo antontanisa navoakan’ny fianakaviamben’ny firenena mikambana miasa eto Madagasikara ireo, tao anatin’ny gazety boky “Lettre d’Information” natontany voalohany ary nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny 23 jona teo
Ny ankizy no voalohany mizaka ny voka-dratsin’izay fahantrana izay, indrindra fa ny tontolon’ny fampianarana azy ireny. Ny volana jona no natokana ho iray volan’ny ankizy, saingy araka ireo antontanisa nivoaka dia tena mahantra ny ankizy Malagasy. Voalaza fa niakatra 9% ny taham-pahafahana fanadinana CEPE. Na izany aza anefa dia nihena hatramin’ny 6% ny isan’ny ankizy mahatody mamita ny fianarana sekoly ambaratonga fototra hatramin’ny farany, nanomboka ny taona 2008. Maherin’ny ankizy 6 ka hatramin’ny 10 taona miisa 138 000 no tsy miditra an-tsekoly, teo anelanelan’ny taom-pianarana 2008/2009 sy 2009/2010. Izany hoe nanatombo hatramin’ny 53,3% raha oharina amin’ny taona teo aloha. Eo am-pelatanan’ny tompon’andraikitra ny ho avin’ny firenena. Atsipy ny teny am-pon’ny mahalala.
Monica