ven.
24
juin
2011
Tsy mba nisy kamboty natsoina hoe: Ramanandray, ary tsy nisy ory natao ho Andrianomanana, fa ny adala kosa dia tsy maintsy ho very sy ilaozana. Satria raha mihira ny voron-tsara feo dia mba hanembonany ny havany, mitomany ny goaika raha miantso ny zanany sy ny namany, manova ny taonany ny kankafotra rehefa tsapany fa samy hafa ny taon-itsy sy ny taon’ito, mandihy amin’ny sidiny avo ny hitsikitsika hitiliany ny hazany; fa ny takatra kosa dia mandoka tena ho soa ho amin’ny tsy antony. Koa hevero fa ny adala dia mandoka tena. Ireny dia tahaka ny tsaramaso nambolen’ankizy vao vaky roa dia notsaingohan’ny akoho, vao nitrebona dia hanin’ny ondry, vao nisy ravina dia nitsahin’ny omby ; ary ataon’ny olona tahaka ny rano an-tanam-bazo, na dia mangetaheta aza izy tsy mba sotroiny. Tonga eto an-tampon’ny « tsy tia mainty» sy ny fitaka amin’ny fomba mihaja ny firenen’ny Gasy ankehitriny.
Omaly dia te-hitelina ny pozina mahafaty ny mpanao politikan’ny Gasy rehefa handrebireby amin’ny resaka fitiavan-tanindrazana, anio dia mampitelina ny pozina saika hohaniny mba hamonoany ny Gasy nampanantenainy. Raha dinihina dia samy poizina mifono : Na ny firosoana amin’ny fifidianana, araka ny hevitry ny mpihazona ny fahefana, na koa ny fanovàna isaky ny mahatsiaro ilay taratasiny ataon’ny SADC. Efa fantatry ny maro amin’ny mpanao politikantsika fa tsy hohita ato anatin’ity tetezamita avo ity mihitsy izany fifidianana madio sy mangaraharaha izany raha ny fomba fiasany tao anatin’izay 28 volana nahateo amin’ny fitantanana azy ireo izay no handrefesana azy. Tsy maintsy ho poizina ho an’ny firenena ny fandrebirebena amin’ny fififdianana satria ireo rehetra olom-boatendry niatsampy tamin’ilao fahefana izao dia tsy hankasitraka velively ny hifaranan’ny tetezamita amin’ny alaln’ny fifidianana. Hiverina any amin’ny korontana politika vaovao hafa indray isika ka ireo mpanohana androany ny fifidianana tefy maika no handrava izany vokatra izany indray ny ampitso. Raha ny momba ny taratasin’ny SADC indray dia mampivadiboamaso androany, ary rahampitso ihany dia efa mahafaly sy mampitoto hinjaka azy indray. Tsy misy fahefana politika azo antoka ho tena hampihatra marina ny izay teneniny, na koa soratany ity SADC ity fa manao izay hanariana dia anatsika fotsiny? Afantony amin’ny resaka olona sy fitoniana ara-politika ny vaha-olana. Dia tena hiroso mankany amin’ny fifidianana ho tantaniny samy irery (indray) tokoa izany ny fahefana avo? Iza no sahy hilaza fa tsy poizina ho an’ny firenena malagasy ny fanatanterahana izany ? Milazà ireo rehetra mpikambana ao amin’ilay CENI, na koa ny andri-pitondran’ny fahefana avo ankehitriny, ka hanambara fa tsy himenomenona amin’izay vokatra ho avy eo. Tsy mahazo manankiana sy manao ranomason-jaza izay tsy mandray anjara rehetra. Dia firenena manao ahoana no hisy eto? Iza no sahy hitantanaan ao aorian’izany fifidianana atao an-kamehana izany? Very olobe tokoa àry ve ity firenen’ny Gasy ity? Sa atao ho toy ny fitantanana inona no tiana hajoro eto? Iza marina ireo te-hampisotro poizina ny olom-pirenena? Tonga amin’ny tsy fidiny sy ny an-terisetra amin’izay ny firenena ka na hiaraka handà sy hitsipaka ny fanampoizinana, na hanaiky ny hofahanana amin’izay haroso ihany. Tsy misy firenena mizarazara izany raha tena ny tombony marina ho an’ny olom-pirenena no katsahin’ny mpanao politika teto sy mbola mampiaina ny ady hevitra eto.. Ny farafara handriana ity natao lasam-benty, ny sotro-vola natao ari-telo, ny maharitrafo natao lasy iray sy kirobo, ny zaza naditra tsy zaka-nanarina, ny tanindrazana natao varo-maty.Hisotro poizina ihany ny Gasy e!
Ony RAMBELO