ven.
24
juin
2011
Raha misy ireo teny iarahan’ny rehetra na eto anivon’ny firenena na iraisampirenena manana sy miombon-kevitra ankehitrio dia loha-laharana amin’ireny ny tamba-teny hoe: «tsy fiandaniana». Raha ny fihainoana ny kabarin’ireo mpanao politika malagasy dia toa vokatra mahagaga nilatsaka avy any an-danitra hamoaka an’i Madagasikara amin’izao kizo nidirany efa roa taona sy tapany izao io hevitra io. Amim-panet ren- tena no hanambaranay ato amin’ny Hetsika Vonjy Aina fa io tokoa no hany teny ahafaoka be mitondra amin’ny Fifampihavanana sy Fitoniana manoloana izao savorovoro politika tsy ahita-mitsinjo amin’izao fotoana izao. Ny filan’ny tsy fiandaniana manko dia mitaky fahitsiana sy fahamarinana ary finiavana politika amin’ireo ankolafin-kery rehetra mihevitra ho manana andraikitra amin’ny famahana izao krizy mianjady izao, indrindra ny amin’ny fananganana ny tetezamita tena izy.
Ny famakafakana lalina natao momba ireo fehin-kevitra nivoaka tany Gaborone sy Sandton dia manantitra ny foto-kevitra «tsy miandany mitera-bokatsoa» naroson’ny Profesora Ranjeva Raymond tamin’izy nanao velakevitra ho an’ny be sy ny maro ho fanazavana ny programa Vonjy Aina tao amin’ny Hotel la Rotonde, ny 13 jolay 2010, ka nanehoany ny fampijoroana ny Fanjakana tan-dalàna sy ny famoanana ireo Lalàna peta-toko misy ankehitriny. Ny Fikambanambe Iraisam-pirenena dia resy lahatra ny amin’izany rahateo satria ny fehin-kevitra navoakan’ny Vondrona SADC ny volana jolay 2010 dia nampiasa avy hatrany io teny tsy fiandaniana io rehefa avy nidinika tamin’ny Profesora Ranjeva Raymond ny prezidà Chissano izay niaiky fa tsy hisy tokoa ny fiaraha-mitantana sy marimaritra iraisana tian-katao ivelan’izany tsy fiandaniana izany.