ven.
24
juin
2011
Tonga soa aman-tsara eto an-tanànan’ny Gasy ny Dokotera Simao, ka solontenan’ny Sadc ve izy iny? Sa iraky ny inona? Isika Gasy mihitsy ve no te-hametraka an’Ingahy iny ho «mpandamina» sy tompon’ny «hevitra» rehetra? Tsy mazava intsony ny raharaha. Rehefa handeha sy niala teto izy dia nasainy natsangana tamin’ny alalan’ilay taratasy norangotina teny Ivato ny governemanta. Rehefa injay ka tonga izy dia nanitrikitrika fa tsy azo ovàna intsony ny governemanta efa nijoro, ary efa tara loatra raha izao vao hisy mihevitra ny hanao minisitra.
Tompon’ny teny farany?
Efa nieràna tamin’ireo tao anivon’ny SADC ny fanendrena ny praiminisitra Vital, hoy ny filohan’ny fahefana avo Rajoelina tamin’ny fanendrena azy tamin’ny 26 martsa 2011 lasa teo. Na ireo rehetra nanao ny rangopohy teny amin’ny fampiharana araka ny tokony ho izy iny taratasy iny, fa ny Dr Simao dia mahatsapa fa mifanaraka tsara amin’izay voasoratra iny, ary tsy azo soloina, na koa ovàna. Inona tokoa anefa ny ezaka efa vitan’ity governemanta ity nandritra izay 3 volana nitsanganany? Efa nahavita nanangana ny fitoniana ara-politika? Efa nanao dingana ho amin’ny firosoana ho amin’ny fifidianana? Efa voatsangana ny CES sy ny fanitarana ny CST, na ny CT? Efa mba nandray ho zava-dehibe izay hevitra nivoaka tany Gaborone, na ny tany Sandton? Tadiavina sy karohina mafy ny fitoniana, satr ia izay no hahafahana miroso amin’ny fifidianana. Nambaran’ity Dokotera Mozambikana ity koa fa mialoha ny fifidianana ny fitoniana sy ny fiverenan’ny filoha taloha Ravalomanana. Dia tonga indrindra mialoha ny fetim-pirenen’ny Gasy ny Dr Simao, ary ho hitany ve ny fisaratsarahan-kevitra sy ny fomba fankalazana izany? Dia andrasana amin’ity vahiny ity indray izany ny fanondroana ny datim-pifidianana sy ny filazana fa milamina amin’izay eto?