jeu.

23

juin

2011

Valim-babena

Samy manana ny maharevo azy tokoa, ary samy misonenika amin’izay tiany. Fa iny olona iny dia nibaby ireo tiany ho babena no anisan’ny nataony nandritra izao fetim-pirenena malagasy izao. Olona anie izany nitangorona tamin’iny olona iny izany e! 2000 ny ankizy mpianatra mbola any amin’ny garabola, ary 2000 toy izany koa ny baina sy ny baofy efa konkan’ny taona sy nolazoin’ny fahantrana mitambesatra eo amin’izy ireo. Izy rehetra ireo no nahazo ny vatsy tokony ho azy avy amin’iny olona iny. Vatsy ahoana moa? Ary nahoana no novatsiana? Ireny fihetsik’iny olona iny ireny, izay nataony amin’ny maha-mpitantana ny tanàna azy no nolazainy fa anisan’ny valim-babena ataony ho an’ity mponin’Antananarivo ity ka nanasongadinana tamin’ity indray maka ity izany hasin’ny fizokiana sy ny ho fanajana ny fomba amampanao teo amitsika samy gasy. Tena hideràna manokana an’iny olona iny ny fihetsiny, izay nomarihiny manokana fa izy ihany hatramin’izao no hany mba nahatsiaro an’ireto efa konka sy antitra ireto hatrizay(?).

Eo amin’ny toerana maha-mpitondra azy iny olona iny ka nanana ny fahafahamanao izany hetsika izany, ary tena nahomby sy nahafaly ireo rehetra nahazo (kely) avy amin’ny fitiavana nasehony. Maromaroa ny «manam-pahefana» mahatsiaro ny zokiolona fa tena izany no hasina sy hajan’ny fiaraha-monin’ny Gasy. Saingy mahavariana ihany anie ny fomba fisehon’ny fanajantsika ny ray aman-dreny toa izany e! Izay mahavita aloha dia tokony ho maodely sy mba hianaran’ny rehetra ka hampanan-kasina indray ny fifampifehezantsika eto. Fa ny antsika dia ray aman-dreny mahantra sy mangorera no eto satria efa ringi-bolo amin’ny famelomanana ny ankohonany na ny fianakaviany nandritra ny fotoana marobe. Raha nahavita betsaka toy izany izy ireo dia famingavingana sy fanaovana tsinontsinona no misy matetika ka lazaina fa miverin-tsaina sy mpandrembireby ary lasa ho zary entamavesatra ho an’ny fiaraha-monina izy ireny. Dia niavaka amin’ny fihetsiny tokoa ary ve iny olona iny, ka nahatsapa ny hasarobidin’ny antitra (fahanterana? Hahavita inona tokoa eo amin’ny fiainana andavanandro moa ny fanolorana fanomezana kely? Moa tsy hanadinoina vetivety ny fahasahiranana fotsiny ? Moa ve fantaratr’iny olona iny fa misy korontana ara-piara-monina goavana eto amin’ity tanàna ity ka very any amin’ny taona maro lasa any ny fifampitsimbinana? Ny mpitantana ny tanàna ve tena mihevitra azy ho ray aman-dreny mahafoy ny «rehetrany» ho an’ny zanany ? Tena mikaroka ny ho fanatsarana ny akohonany? Tena mendrika amin’ny maha-ray aman-dreny azy? Raha izany tokoa no izy dia tena nisy hasiny sy vidiny tokoa iny valim-babena natolotr’iny olona iny ireto ray aman-dreniny ireto. Saingy ny mampalahelo amin’ny mpitantana dia ny fihetsika toa misy endriny hikatsahana zavatra «hafa» hatrany. Enga anie mbaho valim-babena tsy misy heviny hafa tokoa iny nataon’iny olona iny, ka hahatsiarovan’ny rehetra azy rehefa any aoriana any fa tena nanana mpibaby tokoa ny mponin’Iarivo, ka tsy ho haingo hideraderana fotsiny no natao teto fa tena fikarohana tokoa ny lamina ara-piaraha-monina mirindra. Jereo sy hampiasao ny «vola» sy ny fitaovana rehetra ho amin’ny fahadiovana, ny fitaterana, ny fampianarana, ny rano fisotro,ny lava-piringa. Rehefa vita ireo dia tsy hitavandra valimbabena intsony ny zokiolona e!

Dadan’i Ranto (tsy mila ho babena)

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra