jeu.
23
juin
2011
Avadibadiho im-pito ny lela vao miteny, fa izay ihany no mahatonga ny sazy iraisam-pirenena hilatsaka ! Raha nandre ilay tenin’ingahy Andry Rajoelina farany teo teny amin’ny RTS milaza fa tsy mitady fankatoavana iraisampirenena izy, fa fankatoavana avy amin’ny vahoaka no zavadehibe. Tsara rehefa manana hambom-po, fa ireto no tsarovy : Fony vao vita ny fanonganam-panjakana, dia nilaza ny tenany tany Antsirabe, fa hiala ao amin’ny SADC satria tsy nahitantsika voka-tsoa hatramin’izay. Niova indray izany tato afara, fa izay rehetra ahitana fanafody hanasitranana an’i Madagasikara, dia tonga aho. Nikaro-dalana tany ivelany, ka tonga tamin’ny sonian’i Maputo sy Addis Abeba ny resaka, saingy nolaviny ndray ilay sonia rehefa tonga teto an-tanindrazana izy. Ho dinganina ny resaka, fa mialohan’ny dinika tany Gaborone, dia tsy tafatombina izy, fa nandeha nitety firenena maro. Voalaza fa ny fitadiavana fankatoavana iraisam-Pirenena no anton’io dia naleha io. Iza no tsy nahatsiaro ilay teny voalaza avy any hoe « izay vao mazava amin’ny any ivelany ny tena zava-misy eto » ary dia izy mpitarika ny tetezana mihitsy no nandeha tetsy sy teroa. Nampiana hoe sonia sisa atao any Gaborone fa tsy misy dinika intsony.
May Ambondrona
Nipoitra ny fanapahankevitry ny SADC fa tsy maintsy mody an-tanindrazana tsy misy fepetra Ravalomanana, dia indro fa niseho indray ny olana samy hafa. Niseho ampahibe-maso ny tafika amin’ny fanaovany politika, na dia niezaka nanafina izany aza. Dia ireny nizara may volon-tratra ireny ny mpanao politika milafika ao amin’ny FAT, ary niafara tamin’ny fanomezana fiara sy fitaovana teny amin’ny RTS Fiadanana ireny. May Ambondrona hoy ny mpitazana, ka nahatonga ny vava tsy ambina hilaza fa tsy mitady fankatoavana iraisam-pirenena. Nisy fehinkevitra hafa nivoaka avy any amin’ny SADC indray nilaza fa milamina aloha ny tany vao mahazo mody indray ilay filoha teo aloha? Dia ahoana indray izany iny? Aoka tsy ho entanim-po ianareo mpanao politika, fa ny toy izany anie no maha-voasazy ny anareo 109 sy ny vahoaka malagasy hatramin’izao e.
Basy vava
io b vava io ihany,vahoka e vahoka,aiza zay vahokanao eo,zay fianakaviana avy @fat namanao v d vahoka vahoka,maninona raha mba mimpitrapitra fa tsy matikambo ,lany henatra fa entin'ny satana @ny tsy
izy
