jeu.

23

juin

2011

Tena marina ve fa mahaleontena i Gasikara ?

Miaraka mamaly angamba isika hoe efa dimampolo taona mahery izay! Marina izany!Fetin’ny fahaleovantena taona 2011, tsy maintsy ho ankalazaina, amin’ny fomba manetriketrika hatrany io é! Inona ilay ankalazaina? Ny fahaleovantena!... «fa angaha moa isika mahaleontena ry neny?» Taitra ilay reny nanontaniana. Dia ampahatsiahivina hatrany eto fa ny fananana izay mampiavaka antsika eto amin’ity izao tontolo izao ity no fototra iray hampamaka izay fahaleovantena izay. Ny fifandraisana amin’ny any ivelany tsy midika mihintsy akory hoe avelao ry zareo no hitsabaka amin’ny fanapahan-kevitra hitondrantsika ity Gasikarantsika ity!

Fifanampiana no atao fa tsy fiankinandoha. Raha ny zava-misy hatramin’izay anefa dia indrisy fa mampahonena, ny any ivelany tanteraka no mitantana ity Gasikara ity. Apetrany eo amin’ny fitondrana ny saribakoliny, dia izy no mibaiko avy any aminy any, ny amin’ izay tiany hatao eto. Mahaleontena hono isika ry neny, nefa nahoana ry Vazaha mianakavy, tsy mainty tsy fotsy no mivezivezy tonga aty amintsika mandamin-dresaka?...Asa tsy mety intsony angamba ny baiko avy lavitra.Mahaleontena hono isika ry neny nefa nahoana no tsy mahay mifandamina isika samy isika eto fa mifandrafy sy mifankahala tsy hita hoe hankaiza akory?... Asa! betsaka ny saribakoly efa mahay voavolavola ary mahay tsara ny lesona nampitaina taminy. Mahaleontena hono isika ry neny nefa tsy maintsy nangata-bola tany ivelany foana hatramin’izay, amin’izay indray ilay vola tsy mba tsapa hoe nankaiza akory fa toa zary lasa namatoran’ny any ivelany sy namaharany amin’ny fametrahana izay tiany natao eto! Sa ve ry neny rehefa maheno tsipoapoaka, sy mahita afomanga, dia milalao arendrina sy mijery matso ary mananga-tsaina amin’ny fetin’ny 26 jona dia midika izay fa mahaleontena isika?!... Mba valio moa é! ary toa mangina tsy miteny i neny é?... Hay! tsy mahaleo tena izany isika fa ny fety fotsiny no be dia be!... Mba ento any ihany aloha é!

Saholimalala

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra