jeu.
23
juin
2011
Hatairana ny an’ireto olona nitaingina baka niampita ny ranon’i Mangoro iny ny sabotsy alina lasa teo, satria nahita matoatoa izy ireo araka ny nambaran’ireto olona niampita izany rano izany. Raha ny vaovao voaray, dia efa nanambara ireo tompon-tany, fa tsy tokony ho taitra ireto mpandeha ireto, raha mahita toe-javatra mitranga eny ambony baka fiampitana. Rehefa tojo ampovoan-drano ireto olona ireto, dia indreny ny aloka maro be izay teny ambony lakana no hita. Saika hisy olona hikorapaka, saingy ireto tompon-tany no nanangan-tanana avy hatrany, ary indro nipoitra ihany koa ny tafio-drivotra, saingy nivily lalana izany rehefa nanangan-tanana ireo tangalamena ireto. Nisy afo nivoaka ihany koa teny ampovoan-drano, ary avy eo nanjavona avokoa ireo.
Raha ny fanazavana heno, tamin’ny nampita ny vaovao aty aminay, dia misy olona monina hono ao anaty rano ao, ary ny jiro ao amin’izy ireo no manazava ny ety ambony, ka mahatonga ny sasany hahita afo toy izany. Be ireo fady tandremana, ary ireo minia mandika izany, dia mahita faisana hatrany, toy ny fivadihan’ny lakana na baka, ka vitsy ny olona afaka amin’izany. Izany tokoa ny hoe samy manana ny fadin’ny faritra tsirairay e.
Raleva zokiny
Solona Phare izany kou
aon kay no mapiseho hoe tena misy n matoatoa??
