jeu.
23
juin
2011
Mety hampitaintaina ny tovovavy na ny tovolahy, ary ametrahany fanontaniana maro manitikitika azy hoe ahoana izany manao firaisana ara-nofo voalohany izany? Ao ireo menatra na matahotra ny hitanjaka ka ho hitan’olon-kafa izay nafeniny tany anaty lambakeliny any. Ao kosa anefa ireo tonga dia sahy! Any Frantsa any, raha ny fanadihadiana natao dia efa manomboka lefy ny hevidiso miely hoe mbola kely loatra dia efa manao firaisana ara-nofo ny zatovolahy sy vavy. Manodidina ny 17 taona sy tapany eo ny tanora vao miroso amin’izany any an-toerana. Ny zava-dehibe anefa ho an’ireo manampahaizana momba ny fahasalamana ara-pananahana dia...
... ny hahaizan’ny tanora mifehy ny fihetsika rehetra sy ny fanao mba hampahomby ny fiarovan-tena amin’ny areti-mifindra sy ny vohoka tsy niriana saingy ahitan’ny tanora fahafinaretana rehefa miaraka amin’ny olon-tiany. Mila tony tsara araka izany mialoha ny hanao firaisana ara-nofo. Mba tsy hampikainkona ny fivaviana ho an’ny vavy mba hahamora ny fidiran’ny filahiana. Tsy tokony hohadinoina koa ny safosafo sy horokoroka maharitra atao amin’ireo faritra manaitaitra mampangorintsin’ny hsahinaretana ny lahy sy vavy, mialoha ny hanaovana firaisana. Ny fihetsika mahazatra (missionnaire) no mety indrindra amin’io voalohany io, na koa ilay eo ambony ny vavy manampy ny lahy hitady izay làlana tsy maharary idiran’ny lahy. Tandremana fatratra anefa ny areti-mifindra azo avy amin’ny firaisana aranofo, ka samy tokony hadio sy hampiasa ireny fimailo ireny rehefa manao firaisana ara-nofo.