mer.
22
juin
2011
Sanganehana avokoa ny rehetra raha nahare iny tafatafa nifanaovan’ny filohan’ny FAT sy ny mpanao gazety teny Fiadanana iny. « Toa hoe tsy mila fankatoavana iraisam-pirenena indray e !». «Tsy mbola ho faritana ny datin’ny fifidianana fa alamina aloha ny tsy nety hatrizay e!”. Fa inona ihany ity tiana hihaviana sy ny ho lalan-kizorana? Teo aloha nihazakazahana mihitsy ny fivoahana tany am-pitandranomasina. Saika voatety avokoa i Afrika iray manontolo. Nihaonana avokoa rehefa filoham-panjakana sy tompon’andraiki-panjakana maro nanerana ny kaontinanta Afrikanina. Hakiviana fatratra izany tsy tafahaona tamin-dRanona sy tamin’ny Anona ary nisy mihitsy aza ny fiampangana ny mpanohitra ho mpisabaoty. Ranomaso havozona izany tsy afaka nandray fitenenana teo imason’izao tontolo izao fa hoe nosakanan’ireo mpanohitra tsy mahalala afa-tsy ny hamotika an’i Gasikara sy tsy mitsinjo afa-tsy ny tombontsoany. Hatramin’izao ihany koa dia mbola fanontaniana ilam-baliny ilay fiaramanidina nahitana olana ara-teknika.
Ny fikarohana sy fikatsahana ilay fankatoavana iraisam-pirenena ihany no anton’izany rehetra izany. Ankehitriny anefa dia dradradradraina indray fa tsy ilaina izy io. Zovy anefa no tsy mahalala fa raha tsy azo io fankatoavan’ny SADC sy vondrona afrikanina mbamin-dry vondrona eropeanina sy firenena mikambana io dia tsy hisy fampandehanan-draharaha ho vanona intsony eto amintsika tany an-dalam-pandrosoana toy izao ary tena hitoka-monina tanteraka isika mianakavy. Tsy hita ho arahina intsony koa ny vaovao mahakasika ity fifidianana tatatataina lava ity. Ambara ombieny ombieny fa tsy misy afa-tsy ny fifidianana ihany no vahaolana hahatafavoaka antsika amin’izao krizy izao. Nampitsabahina ry zareo avy tao amin’ny komity mahaleo tena misahana ny fifidianana mba hilaza daty sy teti-bola ary ny fomba rehetra hikarakarana izany. Efa natao hatramin’ny fanentanana
hisoratra anarana ho isan’ny mpifidy mihitsy aza. Ankehitriny anefa toa afenimpenina sy tsy azo ambarambara havana akory ny daty. Sao dia mba paikady indray izany mba tsy hitsabahana sy hitenitenenana foana ny amin’izay fifidianana hatao. Ny vava tsy ambina mantsy, hono,
ny mamerina azy no sarotra. Voambara indray fa nisy olana goavana nanodidina ny lisi-pifidianana sy ny kara-pifidianana hatrizay, kanefa nipentsopentsona tery ny vavan-dry zalahy nanambara ny voka-pifidianan’iny
fitsapan-kevi-bahoaka iny ary notatatataina naneran-tany fa efa nisafidy ny vahoaka Malagasy tamin’iny. Hatramin’izao tsy mbola fantatra mazava izay ho fifidianana hovitaina. Am-bava homana, am-po mieritra.
iKOTOMADITRA