mar.
21
juin
2011
Tsy nisy na teny kely iray monja aza tamin’iny olona iny, ka mba niaiky fa mihitsoka sy « mba »misy tsy mahamety azy izao tetezamita avo dia avo iainantsika izao. Vao niainga tokoa ny fitantanan-dRajoelina ny tetezamita dia nanambara iny olona iny tamin’izany fotoana, fa rehefa vita sy mifarana ny tetezamita dia hitsahatra eo amin’ny sehatra politka tokoa izy iny. Nandritra ny fivahinianan’iny olona iny tamin’ny fandaharana iray tamin’ny televiziona ny Zoma lasa teo dia nasehony tokoa fa mahaiza manetsa Ravaly (sa Ravalo?) fa hafa ny anio sy ny omaly. Tsy misy tantara miverina sy azo adika amin’izay fisehony tany aloha tany eto, fa samy hafa daholo ny fitrangany raha ny fanazavan’iny olona iny. Nandray ohatra maromaro mihitsy moa ny tenany fa tsy azo ampitoviana bontolo fotsiny ny tetezamita notantanin’iny olona iny sy ny tetezamita amin’izao, izay nomarihiny tsara fa manana ny maha-ara-dalàna azy satria nohamarinin’ny HCC, manana ny tanjany eo amin’ny olompirenena satria ny vahoaka no nahatonga azy teo. Nohamarinin’iny olona iny ihany koa ny fihetsiky ny foloalindahy ny amin’ny fanambaràna nataony sy ny fiarovany ny korontana tsy hiseho
Dia ririnin-dasa tsy tsaroana tokoa angaha fa ohatra ny
tsy nisy ny dobo-tafondro teny Ambohitsorohitra, ohatra ny
te-hanambara iny olona iny fa nanana ny fahatonian-tsaina
sy nilamina tsara ny famindran’ireo miaramila be galona
ny fahefana tany amin’ny mpitari-tolona tamin’izany taona
2009 izany. Amin’izao fotoana iainantsika izao dia toa marina sy tsy misy kilemany mihitsy ny fihetsik’iny olona iny tamin’ny fotoana nitondrany ny tetezamita tao aorian’ny fihongananan’ny Profesora Zafy sy ny fiverenan-dRatsiraka. Tena marina tokoa aloha ny filazany fa Ravaomanana ve moa hitovy amin-dRatsiraka ? Fa ny manahirana amin’ny mpanao politika gasy eto amintsika anie dia toy ny dobok’ampongan’i Bezandry no fomba firesany e ! Ny tampony dobohina mafy, ary ny lafika dia safosafoina tsy miato. Inona marina moa no mampiverimberina ny fidinana an-dalam-be ataon’ny ampaham-bahoaka eto ? Moa tsy ny fiangarana ataon’ny miseho ho mahalala ny marina sy ny biloka tokony hahitsy toa an’iny olona iny ? Hevitra avy tamin’iny olona iny anie no nitakiana ny famerenana ny fanisam-bato tamin’ny taona 2002 e ! Mila ampitahana ny vokatra, ary izany dia tonga hatrany amin’ny fandravàna ilay HCC nifindra lasy tany Mantasoa. Sahin’iny olona iny ve ny hilaza fa tsy nisy tetika politika nataony tamin’izany ? Fa amin’izao fotoana izao dia mety daholo ny fomba amam-panao eto, ary dia mandrisika hatrany any amin’ny firosoana any amin’ny fifidianana iny olona iny, na dia fantany tsara aza fa mety mbola tsy hampilamina antsika izany. Miaro mafy ny fitsarana iny olona iny ambonin’izany rehetra izany, ary sahy manambara fa marina sy tsy misy fitsabahan’ny hery politika mpihazona ny fahefana io fitsarana io. Dia toy izany koa ny mikasika ny miaramila sy ny foloalindahy izay narovany hatrany fa manana ny maha tsy miangatra azy ireo. Fa ny tena nanaitra dia ny filazana nataon’iny olona iny fa tsy misy intsony ny olona « neutre »
eto amintsika eto. Heverin’iny olona iny ve fa tsy fombàna
ny atsy na ny aroa no atao hoe : neutre ? Olona sahy milaza ny tsy fahamarinana, vonona hanameloka ny nanao hadisoana, mahay midera ny fihetsika ahitan’ny vahoaka gasy tombony miaraka, tsy mpitsikombakomba amin’ny tsy
rariny, tsy minia mikimpy amin’ny halatra be vava, mikatsaka ny tombotsoan’ny firenena malagasy. Tsy misy olona toy izany intsony ve eto r’iny olona iny ? Sao mba tokony hijanona amin’ny politika amin’izay iny olona iny fa tsy ho mpiaro ny fisehoan-javatra fotsiny ao an-dapa ao e !
Dadan’i Ranto