mar.

21

juin

2011

Soronafo Takonana fety aloha ny krizy !

Tena manimanitra fety tokoa ny tanàna fa tsy lainga ! saingy tsy takona afenina fa hita misoritra amin’ny endrika rehetra mifamezivezy eny an-dalambe eny ny fahasorenana sy ny holatra ambolen’ny krizy. Ny andro rahateo tsy hita atao hoe ririnina fa tsy mena mivadika lasa mahamay tampoka manempotra tanteraka. Tsy vitan’izay ihany fa lasa mifampila vaniny ny samy mpandeha eny an-dalam-be eny ,na io mpandeha an-tongotra na io mpandeha amin’ny fiara. Tsy ferana intsony ao anatin’izany rehetra izany ny gaboraraka tsy hifankahitana. Dia samy mametram-panontaniana ny tsirairay hoe inona tokoa izato rivotra mitsoka, dia betsaka ny mamaly tsy taitra hoe takonana fety aloha ny krizy è! tsy avela hieritreritra izay ho ampitson’ny firenena aloha isika mianakavy fa avily ho any amin’ny mahafinaritra ny saina dia adinoina tanteraka ny mahasoa.

Dia eto àry no aroso ny kitay ry zareo ! Ny fety

ho vita ihany ! mandalo izy io dia miserana, fa ny fiainana tsy maintsy mitohy. Efa lakololosy maneno tsy takona afenina ny tsy fahalavorarian’ny fitsinjarana

solika. Tsy miandry izay fampahalalam-baovao atolotry ny gazety sy ny haino aman-jery intsony ny isam-pianakaviana fa mifampiantso ny mpianakavy , ny avy eto Antananarivo sy ny avy any amin’ny faritany io. Iny herinandro lasa iny dia nifantoka tamin’ny tsy fisian’ny solika ny resaka nifanaovana an-telefaonina. Izao indray dia efa mandeha sahady ny resaka hoe tsara raha mba manangona ireo entana ilaina andavan’andro fa tsy fantatra izay hitranga aorian’ny fety ! ka manao fety ao anatin’ny tebiteby izany ny gasy ka inona moa ? Ny maro aza moa mahalatsa-teny mihintsy hoe fety atao inona anefa fa ny fiainana ary eto tsy mbola milamina. Dia izay hoa aho ilay tsotra sady mazava è! takonana fety aloha ny Krizy! Sokafy ny maso

fa aza akipy!

Saholimalala

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra