mar.
21
juin
2011
Hilofo tanteraka ao anatin’ny fikarakarana ny lisi-pifidianana ny fitondrana amin’ny fampitaovana ny CENI amin’ny fomba rehetra. Tsy hikaroka ny fankatoavana iraisam-pirenena ihany koa fa hanasa azy kosa hijery ny fahavononana sy ny fahatomombanana rehetra rehefa vonona amin’ny fiatrehana ny fifidianana.
Amin’ny 2012 indray ve?
Tsy misy fe - potoana voatondro fa hilamina sy hiadana
tsara ny famolavolana izany rehetra izany raha ny fanazavana avy tamin’ny filohan’ny tetezamita avo Rajoelina Andry, nandritra ny fotoana nanolorany fitaovana ny foloalindahy Malagasy, omaly.Andrasana ho voasoratra ao anatin’ny lisi-pifidianana daholo ny olom-pirenena rehetra, ary ho eny ampelatanany ny kara-pifidianana vao hiroso amin’ny fanatanterahana fifidianana ny firenena.Dia aleo tokoa izany miadan-ko reniny toy izay mitsatsaingo-ko vantony ?
Tsy mbola fantatra ihany koa izay horaiketin’ilay fanitsiana avy amin’ny Sadc momba ilay tondrozotra, ka tsy azo hikoropahana ny fanitarana ny andrim-pitondrana misy araka izay efa voasoratra tao anatin’ilay efa vita rangotra. Tsy mazava izany ny politika tena hirosoana marina raha hiandry ny ho fanitsiana,na koa hanao hitsin-dalana amin’ilay efa nananganana ny governemanta. Tsy misy tompon’antoka Iza no tena tompon’antoka amin’ny fanatanterahana ny fifidianana eto amintsika ? Nanambara tokoa ny mpitarika ny tetezamita Avo, omaly ihany, fa tsy misy antony hikarohana ny fankatoavana iraisam-pirenena intsony, ary ny natao hatrizay dia ny haneken’ny sehatra iraisampirenena ny fanovàna nataon’ny vahoaka Malagasy, fa tsy ho fanekeny ny fahefan-dRajoelina. Dia ahoana izany? Fa na manaiky na tsia ny fahefan-dRajoelina izany ny sehatra iraisam-pirenena dia tsy misy dikany? Ny Gasy tokoa izany efa manaiky izany fahefandRajoelina izany? Manaiky izay rehetra ataony sy tiany hamaritana ny lalana izoran’ity firenena ity? Dia iza no tompon’antoka amin’izay lazainy?
Ony Rambelo