mar.

21

juin

2011

Fodian’i Ravalo: Miketrika mafy ny SADC

Tsy maintsy tafody i dada. Io no fanambarana matetika ao amin’ny Magro, ary voalaza fa tsy azo ampiandrasana ela intsony izany, satria maika ny fivoahana amin’ny krizy Politika. Toy ny antso an’efitra ny fandraisan’ny sehatra iraisam-pirenena ireo kiakiaka ataon’ny mpomba ny FAT eto amintsika, satria heno fa miketrika mafy sy faran’izay haingana ny hodian’i Ravalo eto ny SADC. Ity olona

ampodiana ity ihany koa,dia tsy mitsahatra ny mihetsika amin’ny ambaratongampahefana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, amin’izay fodiany izay. Fantatra io isaky ny miditra amin’ny antso antarobia ao amin’ny hetsiky ny mpanohitra mpomba azy izy.Olona akaiky ity filoha teo aloha ity no andrenesana, fa efa voampirina daholo ny entany any Afrika atsimo any, satria miandry TOP ny tenany sy ny vady aman-janany, dia miainga hitodi-doha aty an-tanindrazany.

Miaramilan’ny SADC

Mifamahofaho be ny resaka heno, satria ao no milaza fa ny miaramilan’ny SADC no hiantoka ny ainy amin’ny fodiany eto Madagasikara. Efa naneho ny heviny momba ny fodiany ny eo anivon’ny foloalindahy eto amintsika, ary

isan’io ny ministra. Ny karazana mpanao politika teto amintsika, dia maro no tsy nankasitraka ireny fihetsiky ny foloalindahy ireny, satria tany am-boalohany, dia anambara ry zareo fa tsy manao politika, ary ny mpanao politika no tokony hifandamina amin’ny raharaha toy izao misy izao, saingy iny niditra lalina tamin’ny fanambarana iny ry zareo. Be no manantena fa ny tafiky ny SADC no hanatitra an’i Ravalomanana Marc eto, ary ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa no hiantoka ny fikarakarana fifidianana eto. Ireo matahotry ny very seza no saika miteny amin’ny fisakanana ity filoha teo aloha ity, fa mba maro koa anie ny olona manana ny heviny,saingy tsy mahita sehatra ahafahana maneho izany izy ireny e.

Basy vava

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra