mar.
21
juin
2011
Tsy afa-misaraka amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona ny firaisana ara-nofo. Voa-janahary ny faniriana amin’io lafiny io, ary tena filana ilain’ny fivelarana arabatana sy ara-tsaina toy ny filàna sakafo ihany koa izy. Tandremana ihany anefa fa misy ireo tsy mahalala onona ka rehefa tafahoatra loatra mety ahitan-doza. Tamin’ny fanadihadiana natao tany an-dafy tany dia fantatra fa ny hamalifaly sy hanome fahafaham-po ny vadiny amin’ny firiaisana aranofo no anisan’ny antony aneken’ny ankamaroan’ny vehivavy « hamelatra » amin’ny vadiny na ny olon-tiany
Tsy mieritreritra izay hahahetsaka sy ahazoany ahafinaretana izy amin’izany, fa tahaky ny manao «takalom-patsa vidim-pihinanana » fotsiny ihany. Voalazan’ireo mpandinika nefa fa tokony hifampitady
izay mahafinaritra sy hifampitakisina mihitsy eo ampikarohana ilay harempahafinaretana miafina any anaty any.Tsy midika velively ho tsy manao na inona na inona ny vehivavy raha miandry fotsiny ny fidiran’ny filahiana
any anatiny any, ka lazain’ny lehilahy mpaneso ho «mitsitra toa vatan’akondro » fotsiny. Ny mifanohitra amin’izay aza no mety hitranga satria sady afaka mitady moramora izay ahitany tsirony ny vavy amin’izay fotoana izay no afaka manome fahafahampo ny vadiny koa. Izay no atao hoe mifampizara; samy mahazo tombony fa tsy misy maty antoka. Te hameno “ilay banga” ny vavy
Mahalala ny toe-batany
ny vehivavy. Amin’ny fotoana tsy ampoizina matetika no mapangorintsina azy. Io no mahasamy hafa azy amin’ny lehilahy. Tsy be faniriana toy ny lahy ny vavy fa mitady izay ahitany tsirony ahazoany manome fahafaham-po ny
lahy mba hiara-mahatonga aminy. Indraindray koa mety mifanjevo ao an-tsainy ny tahotry ny ampidiran’ny lahy ny filahiany, kanefa tehameno ilay « banga » miandry an’iny ao anatiny ao izy.Ny fahatokisan-tenany no
zava-dehibe amin’io, ary tsy tokony hieritreritra na ho menatra amin’izay fari-batany heveriny ho maharatsy endrika azy izy, fa mety manimba zavatra izany.