mar.

21

juin

2011

Fetim-pirenena 2011: Ho maizina ny lanitr’i Gasikara

Miova mankaiza angaha ity firenena fa dia mampiteraka resa-be izany hoe tsy hisy afomanga izany amin’ny 26 jona? efa niovaova ny teny filamatra an ! niala tao ny FAHAMARINANA, niova FITIAVANA. Efa ny fiandrianam-pirenena no voakitika ka tsy mahagaga raha azo ovaovaina araka izay itiavana azy ny maha malagasy hatramin’izay. Ny afomanga aloha dia fomba vahiny, saingy nitaizana ny malagasy ka zary raikitra ho famalifaliana tokoa, sady fivoarana manaraka ny toetrandro rahateo. Tato anatin’ny roa taona izay fahasahiana nanovaova izay.

Tsara ny fanovana an ! fa toa asa fampandriana adrisa fotsiny kay ity izy. Izay no vokatry ny fahataitairana te hamafa ny zava-bitan’ny teo aloha, kanefa toa valaka ihany aty amin’ny lazon’ady. Aiza ireo artista vahiny nanambaniana ny mpanakanto gasy tamin’ny taon-dasa? Soa fa teo ny GASY mahavita azy,bola nanaiky hanafana lanoanana eto an-toerana. Tsy maintsy manao koa fa io no kapoaka e! Dia ahoana koa ity afomanga nitsefotra ity? sa sao dia hamono olona tahaka ilay pasitera tany Antsirabe koa? Sa tena tsy misy vola ho amin’izany? Io afomanga io anefa no nanaovana “defi” hatramin’izay. Izay mihetsika kely dia afomanga na dia fetin’antoko politika aza, eny mahenika hatrany amin’ny faritra 22. Dia ho maizina izany ny lanitry Gasikara amin’ny 25 sy 26 jona fa ny matso eny Mahamasina dia samy vita.

HERY A

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra