sam.
18
juin
2011
Tsy misy hanakianana an’iny olona iny ny fanehoankeviny, sy ny fanambaràn’ny fikambanana tarihiny mikasika indrindra ny fiverenan’ilay olona nampijaly azy tany an-tsesintany nandritra ny fito taona. Rehefa henoina tsara dia angirifiry
sy naharary tokoa iny olona iny nandritra ny fotoana nifitsahany tany an-tanin’olona tany. Dia mitovitovy tokoa ny fotoana sy ny zava-nanjo e ! Saika hikiry hiditra teto an-tanindrazana iny olona iny mialoha indrindra ny fifidianana izay ho filoham-pirenena teto tamin’ny taona 2006, saingy tsy tafiditra fa voarara sy nitataovan-tsazy. Dia nandeha ny resaka fa matahotra an’ny olona iny ilay Ramose eo amin’ny fifidianana ka naleony nosakanana. Dia mazava izany fa kely endaka ilay Ramose e!
Ary azo resena tsara amin’ny fifidianana na dia teo amin’ny fiftantanana ny firenena aza. Sa kosa lolom-po tsy levona no nisakanana an’iny olona iny tamin’izany ? Ka tsy manana ny hadisoany teo amin’ny fitantanany ny firenena
mihitsy izany izy iny ? Dia azo antoka koa ve fa raha sakanana amin’ny fomba rehetra indray ilay Ramose amin’izao fotoana izao dia mety handresy amin’ny fifidianana iny olona iny ? Koa raha tanjona ho amin’ny fandresena ara-politika no antony tena mandrisika an’iny olona iny handrara an-dRamose tsy hiverina eto, fa tena mbola fery vao no navelany, dia azo antokoa fa rariny loatra izany. Rariny sy hitsiny satria dia efa ao an-tsain’ny mpanao politika Gasy mihitsy izany ity mifamaly faty sy tsy manadino ny lasa ity. Hadinoina amin’ny fomba ahoana koa moa ? Tsy misy miala maina sy mody maina eto amin’ny tanàna fa samy tokony ho tompon’antoka amin’izay hadalàna nataony avy, raha nisy tokoa izany. Fa ny tena olana eo amin’ny anaovantsika ny politika dia misy ny heloka sy ny fomba fanao noteren’ny fieboeboana ara-politika fotsiny. Raha ny hevitra nambaran’iny olona iny dia tsy misy hevitra mihitsy ny hanadinoana ny fanenjehana ireo tsy mitovy hevitra tamin’ireny taona 2002 ireny, ary dia mbola betsaka ny raho-mainty mitatao amin’izany.Maro no nibaby tsy fidiny ny famonjana, ary nandao ny fianakaviana noho ny herisetra ara-batana na ara-tsaina. Hevitra politika tsy nitovizana sy hambo-po diso toerana fotsiny no tena nahatonga izany rehetra izany ,hoy iny olona iny. Dia inona izany, ary amin’ny fomba ahoana, no hamafantsika ny ratra nanjo ny rehetra ho an’ity tanindrazana ity ? Hiara-maty eto ? Rahoviana tokoa vao hazava ny fo ? Fa iza moa no nitondra ity Madagasikara ity tao anatin’izay fotoana efa dimampolo taona izao ? Moa tsy taranak’ireo nandripaka sy mpanondro molotra ny mpitaky ny fahaleovantena ?Aleo atao ho toy ny vain-drahalahy ny fomba fanaovana politika eto ka hifanilaka sy hifandrangitra eto hatrany isika Gasy ity. Ny tantara mantsy dia mamaritra ny lasan’ny mpanao politika tsirairay avy. Koa rehefa mahatsapa iny olona iny fa tena mbola mibaby fahatsiarovana lalina ho azy ny zavatra nolalovany dia rariny raha sakanany amin’ny fomba rehetra ny mpifaninana politika aminy (na iza na iza). Saingy mino sy mahatoky ve iny olona iny fa izao fitondrana misy ankehitriny izao tokoa no hamafa ny dindo tsy hay kosehina any an-tsainy any? Vitany ve ny hanasitrana ny feriny amin’ny fanohanana tsy misy fepetra izao fitondrana izao ? Sa izany no tetika mety handreseny any amin’ny fifidianana ho avy? Tamin’ny taona 2006 aza iny olona iny nihevitra ny handresy koa mainka fa amin’izao fotoana ? Ary raha sanatria resy ve vao haka lesona ? Tsy polika intsony izany fa fihetseham-po fotsiny e !
Dadan’i Ranto
adinon'iny olona iny ngamba ny fanodikodinam-bola nataony ary ankehitriny ny olna mahazo fahefana toa mitovy aminy ( manao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena sy saribakolin'i la frantsa) de mandeha ho azy ny zava-drehetra. sady iny olona iny ko né tsy taiza fa nody tany amin'i reny malala e! tsy toy ny sasany sa nanosihosy ny tombotsoan'i ty reny malala ity
ary ahoana oa ra miara-gadraina fotsiny tsotra izao i boaikely sy ramose ary le raika lahy taloha iny e. Ny kil ange leo be tsotra izao fotsiny an-dr'i tavany ireo e!
