sam.
18
juin
2011
Dravalomanana re izao ! Tena mahay mandagolango resaka mihitsy ireto FAT ireto rehefa i dada no ho avy an. Tena hainy mihitsy no mametraka an’io olona io ho olon-doza eran-tany. Nagadra olona tsy mitovy fomba fijery aminy hono, ary izay no nahatonga ny vahoaka hanongana azy tamin’ireny taona 2009 ireny. Tsaroan’ny rehetra tsara, fa ingahy Pierrot Rajaonarivelo,dia isan’ny nitaky ny hanaovana ny fampihavanam-pirenena tamin’ny taona 2002 ireny, satria dia isan’ny mpikambana tao amin’ny CRN izy.
Nanana olana aram-pitsarana izy, ary nomelohina higadra nandritra ny dimy taona, ka izay ve no nahatonga azy hitaky ny fampihavanampirenena? Ankehitriny ve nahazo toerana ao amin’ny FAT dia tsy mahatsiaro ny fahavoazana amin’ny fialokalofana any ivelany ? Aoka tsy ho hadino, fa mitovy i Ravalo sy i Pierrot, satria samy misy sazy any amin’ny fitsarana, ary saingy ny iray tafa, fa ny iray voasakana. Ka gadra politika i Pierrot Rajaonarivelo, sa mpanao politika migadra ? Tsy ny olana toy izao ve no nambara fa hialana, nefa mbola averina eto amintsika indray itony karazana valifaty itony ? Misy farany ny zava-drehetra, ary aoka tsy haneji-dresy, fa ny tsapa, dia ny fatahorana andRavalomanana Marc ho tafaverina ao amin’ny fitondrana no mahatonga ireo karazana fanadiovan-tena matetimpitranga tao ho ao izay.
Ingama