sam.

18

juin

2011

Fananganan-tsaina: Midongy ny olona

Folo andro latsaka kely sisa dia higadona ny fetimpirenena malagasy ! Fanao isan-taona ny manangantsaina amin’ny vanin’andro toy izao, saingy raha ny hita dia vitsy no manao izany.Resaka politika indray io, satria tamin’ny herintaona toy izao,dia zara raha nisy ny 5% ny vahoaka malagasy no nanao izany. Dia mbola miverina indray izany amin’izao, na dia maro aza ny mpivarotra saina eny an-tsena, ary azo hioriranana ihany aza ny vidiny.Ny fokontany sasany, dia efa mametraka sazy ho an’ny tokan-trano tsy manangana izany saina izany, saingy tsy maha-rototra ny sasany na dia eo aza izany sazy izany. Ny tsara ho tsapan’ny maro, dia na eo aza ny resaka politika izay tsy mahafaly ny maro, dia ny fetim-pirenena kosa an’ny malagasy rehetra, fa tsy an’ny mpitondra na ny mpanohitra, ka tokony ho hajain’ny rehetra.

Raleva zokiny

écrire commentaire

Commentaires: 3

  • #1

    fano (lundi, 20 juin 2011 15:33)

    Izay tianay ihany io na hanangan-tsaina izay na tsia. Tsy anareo irery akory i Dago. Avelao ny olona hanao ny safidiny.Fety io ! OK.

  • #2

    domelina (mardi, 21 juin 2011 07:43)

    atero any @ DST sy risara bômba ze tsy manangana saina fa izay angamba no tao anaty lalam-panorenana lany t@ 17 Nov 11 farany teo. Ny FKT aza izao manome sazy an'izay tsy manangan-tsaina, sao de mba jadona izany e!

  • #3

    inconnu (jeudi, 23 juin 2011 09:07)

    ny tanindrazana ve tsy afaka akory ko anangatsaina @ inn ko???? ita zao fa ny frantsay mbola manjanaka any Dago de tsy aleo ve saina frantsay no atsangana rah anangana ihany?? mieritrereta fa mbola firenena zanatany i gasikara

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra