ven.
17
juin
2011
Voailahy mena mivalana any Ikopa, tsy re fitsaika, tsy hita fihetsika. Latsaka an-jobo, tsy mihirina, ary latsaka an-drano tsy mivoy. Ka hono, ho’aho rey « Vahoaka » : Maty angaha I Zoky no tsy dia miseho, ary azon’inona izy no tsy miverina ? Moa tsy toy izao no havalin’ilay « vahoaka donto » ? « Ianao dia zaza tanora fanahy, ka tsy noheverinao angaha fa ny voay matoa tsy mihirina, raha latsaka an-jobo dia ao no mafana fandriany ? Ary izy no tsy mivoy raha latsaka an-drano dia ao ny tany filàny ny haniny. Ka hevero amin’izay fa tsy maty akory I Zokinao fa mbola mandranto ». Hay izany tena tsy maty ny voay raha dobo an-drano ?…
Rehareha diso fipetraka ny te-hiravaka ny vanginy kanefa ny ainy mbola tsy
afaka. Manahirana, ary vao mainka manahirana, ny toe-draharaha politika
satria nisafidy ny handrangitra ny mpanohana azy ny mpananika amin’ny avo. Fantatsika ve fa ny varavarana narindrina dia mora vohana ? Ny teny atao mora tsiahivina ? Ny vato naorina ve tsy adidy e ? Izay atao andraikitra avokoa, ka izay nolazaina dia itondran-kenatra raha tsy tandremana…
Tsy azon’iza na iza ovàna ny tondrozotra navoakan’ny SADC, tamin’ny 9 martsa 2011, ary tsy misy mahazo manao « don-databatra » amin’izany ny rehetra. Marina tsy misy hanampiana, na koa hanesorana izany, ary ny SADC dia efa nampanangana governemanta tamin’ny alalan’iny taratasy voarangotra iny. Fa mba fantatr’izay mitompo teny amin’izany hevitra izany ve fa tsy azo vakiana isan’andininy fotsiny toy izany iny taratasy iny ? Inona no
nahalitika mbola nandehanana tany amin’ny fampiantsoan’ny SADC tany
Gaborone raha azo nampiasaina ambolongany izy iny ? Ary farany, ireo rehetra vondrombondrona miisa 8 nanaiky iny taratasy iny anie dia mbola samy nanoratra izay vetsovetsony daholo ka nomena ny mpitarika ny fivoriana tao Gaborone e ! Sa inona no nosoratana tao ? Matoa nanoratra dia nanaiky fa hovàna ilay voarangotra tany aloha. Koa ankehitriny dia tereo amin’ny fomba rehetra ireo mpifanandrina ara-politika mivondrona ao amin’ilay ankolafy « mpiziriziry » mba hametraka ny soniany amin’iny taratasy
« lany daty » iny e !Tsy ny vahaolana ho an’ny firenena intsony no tadiavin’ny mpihazona ny fahefana avo, fa fiarovana ny kolon-tsain’ny « mpandrebireby sy kanosa arakevitra». Inona no haha-samy hafa ny fifidianana hokarakaraina ato ho ato (mialohan’ny faran’ny taona, sa mbola hahemotra amin’ny fotoana
hafa ?), sy ilay fitsapan-kevi-bahoaka nokarakaraina tamin’ny 17 novambra
2010 ? Raha tena fatra-panaja ny « safidim-bahoaka marina » isika dia tokony horovitina avy hatrany ilay taratasy lany daty ka hanana fahasahiana hampihatra ny lalàmpanorenana. Saingy indrisy fa tsy mbola hita ny vahaolana hatramin’izao. Miteny tokoa ny « moana »hatrizay, ka miradarada fa tia sy tsy hanary amin’ny sarotra. Hiaraka hatrany amin’ny fanenjehana sy
fampigadrana ny mpifanandrina ara-politika. Izany tokoa no dikan’ny
fanovàna notadiavim-« bahoaka » ? Ka hitomany laingom-bary mena, ary hiantso vary mandrononofotsy ve ? Kanefa tsy mataho-toraka;ka na maty im-pito, na torana impolo aza tsy maninona ? Fa tsy faty nanesik’olona
tokoa izy ity, fa faty nampidirin’izy tompony, tsy mba loza fa Sihanaka voadakan’omby, ka maty manara-dronono. Eisy e, ry mafy hatoka tsy laitra hatoro e ! Tsy biloka, ary tsy meloka fa anjely latsaka antany. Mahay sy tapitr’ohatra amin’ny fanajana ny « fitiavana », avo lenta amin’ny fanompoana « tanindrazana», tsy hay tohaina amin’ny« fandrosoana ». Tohizo hatrany ny
fahendrena sy ny fandavana ny hafa fa rehefa taitra irery ve tsy hamaky
takotra ? Hay moa efa lasan’ny Sinoa hatramin’ny takotry ny vilany vỳ-ndrazana ? Azafady àry e !
hahahahaha ...
Mahay sy tapitr’ohatra amin’ny fanajana ny « fitiavana », avo lenta amin’ny fanompoana « tanindrazana», tsy hay tohaina amin’ny« fandrosoana ».
Misaotra, mazava tsara mihitsy. (asa raha ho azony izay tena foto-kevitra eto raha hitany)
:))
