ven.
17
juin
2011
Tsy laitra nahifika mihitsy ity solombavam-bahoaka voafidy tany amin’ny faritra Anosy ity, raha hiainga ho any Gaborone, ka te-ho katolika alohan’ny Papa. Antoko TIM izy, ary ao anatin’ny ankolafy Ravalomanana, araka ny fanazavany. Ny nahagaga anefa dia nirayTsy olana ny amin’iny satria minisi-panjakan’izao fahefana mitondra izao ny tenany ka mety kokoa aminy ny «manompo » ny mpanendry azy. Toy ny vao omaly no nilazan’ity mpanao politika ity fa noho ny fahitany ilay andininy faha-20 ao amin’ilay tondrozotra natao rangopohy teny Ivato tamin’ny 9 martsa 2011, izay manoritsoritra ny fomba hodiandRavalomanana rehefa misy ny filaminana sy ny fitoniana ara-politika eto, no tena antony goavana nahatonga azy nanao rango-pohy iny taratasin’i Dr Simao iny. fiaramanidina tamin’ny mpitarika ny TGV ny tenany.
Ankehitriny , tsipahiny marin-drano ny fampodiana an-dRavalomanana, kanefa ny sori-dalan’ny SADC no ambara fa hampiharina tsy misy fepetra. Atao inona moa ity sori-dalana izay navoakan’ity SADC ity ? Nanangana ny governemanta sy nahatonga an-dRakotoarisoa Yves Aimé ho minisi-panjakana, saingy miharihary fa na haniry nify aza ny akoho dia tsy hampiharina velively ilay andininy faha-20.Dia io fa mbola mihanahana any anaty lapam-panjakana any ihany, sady mihinana no voky an-tenda ny mpanao politika tongatonga ho azy teo amn’ny fitondrana noho ny ravin-taratasy, izay efa lany daty raha ny fanambaran’ilay SADC ihany satria nivoatra ny fijeriny ny zava-misy (?). Tokony hanana fahasahiana hiala ao anatin’yy governemanta amin’izay Rakotoarisoa Yves Aimé satria sady tsy TIM intsony, ary tsy ankolafy Ravalomanana koa; Ravalomanana rahateo sakanan’ny mpanendry azy tsy hiverina eto. Ka inona no ataony ao ? Mbola hitonona ho inona ao ihany ?