ven.

17

juin

2011

Fodian-dRavalomanana: F’ahoana ihany e

Somary nahavalalanina ny maro ihany ny nandre an’ilay fanambarana nataon’ireo mpitarika eny anivon’ny miaramila ny amin’ny fandavana ny toromariky ny SADC farany teo. Mahagaga ihany mantsy raha toa ka nihazakazahana ny fankanesana tany Gaborone ny amin’ny hamahana ny olana sy ny krizy eto amin’ny firenentsika. Nony injay anefa fa nivoaka ny hevitra hamahana ny olana dia toa nampiaka-pofona indray ireo miaramila. Ny zavatra niseho mantsy dia nisy ny tsirin-kevitra fa tokony hamonjy ilay fihaonana tany Gaborone ny tafika malagasy nefa noho ny filazan’izy ireo fa tsy manao politika ny tafika dia aleo ihany rizareo samy mpanao politika no handeha any.

“Ny ataonay ia manao izay hahatanteraka ny tondrozotra izay tapaka any mba
ho fanarenana ny firenena”. Dia ireny niaraha-nahita ireny anefa ny vokany, izy ireo indray no maneho amin’ireo vahoaka sy ny mpanao politika fa tsy
mety ny vahaolana naroson’ny SADC. Toa manana fironana sy olona arovana izany izy ireo raha atao jery maika. Ny miaramila mantsy dia tokony ho tandroka aron’ny vozona sy aro loha ho an’ny firenena. Inona moa ny olana ho azy ireo ny amin’ny fitandroana ny filaminana sy ny fiarovana ny ain’ny filoha teo aloha raha ho tonga eto izy ireo. Izany ange no tena asan’izy ireo e, dia ny mampanjaka ny filaminana. Sa rehefa amin’ny sehatra ohatr’izany dia tsy ho hain’izy ireo ny hifehy ny teo-draharaha mety hiseho?

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra