jeu.
19
mai
2011
Iza no tsy nahatsiaro ny sangy sy ny vazivazin’iny olona iny rehefa miatrika ny mpanao gazety izy, na koa miresaka ry zareo samy mpanao politika ? Tsaroana tsara ny filazàna nataony raha naka ny io RNM Anosy io ry Rmahazomanana Liva, dia nambarany fa mbola nankafý ny vary amin’anana sy ny kitoza ny tenany ka aza omena tsiny loatra raha tratra aoriana. Izay iny olona iny sy ny toetrany. Mbola nampiavaka an’iny olona iny koa ny anaran’ny antokony izay nirotsahany ho fidiana ho Be-n’ny tanànan’Antananarivo. « Fihaonana » no anaran’ny antokony, ary samy nanamarika ny rehetra izao fa toa karazan’izany fihaonana izany no tsy ampy eto amin’ny tany sy ny firenena ankehitriny. Fa lasa iny olona iny ankehitriny, ary lasa tsy hiverina intsony. Lavo ny andrarezina, very raiamandreny anisan’ny tena goavana ny firenena Malagasy.. Vitany soa aman-tsara ny nitarika ny governemanta tamin’ny fotoana tena nivaivay sy nampifandrirotra mafy teo aloha kely sy taorian’ilay diaben’ny fahafahana tamin’ny volana Aogositra 1991. Fifanarahana teo amin’ny mpanao politika Gasy tsy nila mpanelanelana vahiny dia nahavitàna namoaka fifanarahana nampiharina ho an’ny rehetra tamin’ny alalan’ilay fifanarahan’ny 31 oktobra 1991, izay niampitàna tamin’ilay repoblika faha-III.
Betsaka koa ny fanakianana an’iny olona iny raha nofoanana sy noravàny ilay tsena nahavalalanina teo Analakely teo. Kanefa fotoana vitsy tato aoriana dia samy nikaiky fa zava-dehibe ho amin’ny fandaminan-draharaha no nimasoan’iny olona iny tamin’izany. Moa tsy mbola solan’ny fandaminana ity renivohitra ity hatrany moa ireo rehetra mpandimby an’iny olona iny ? Raha ny tantara politikan’iny olona iny, dia nahaontsa tokoa ny nanjo azy satria isaky ny misy ny fifanejehna eo amin’ireo tsy mitovy hevitra dia toa niharan’izany hatrany iny olona iny. Tany Toamasina tany dia mifandroandroaka sy mifanilaka ny Gasy rehefa misy ny fifanolanana ka anisan’ny nizaka ny tsy eran’ny aina tamin’izany iny olona iny. Tamin’ny taona 2002, ohatra dia voaroba sy tsy nisy niangana ny fananana tao an-tokatranon’iny olona iny noho ny fihetsiketsehana tamin’izany. Nipitrapitra fotsiny ny tenany raha nijery ilay piano-ndrazana efa voabatan’ireo ratsy saina teny amin’ny arabe. Fa nandefitra sy nifitsaka iny olona iny. Ary asa raha mba nisy nihaino ihany ny antso nataon’iny olona iny ny 10 aogositra 2010 farany teo izany : Niteny izy, ary raha mpanao politika tena matotra sy mitsinjo ny ho avin’ny firenena tokoa dia hahatsapa fa mbola tsy diso fotoana tsy akory iny olona iny tamin’izay. Nananbara ary i Dadabe fa latsaka an-katerena tanteraka ny firenena ka miangavy ny mpiray tanindrazana rehetra izy hanilika avy hatrany izay hevitra mbola mahatonga izao fahavoazana mangitsokitsoka izao.Nanentana koa izy mba hanohanan’ny rehetra ny fananganana ny tena tetezamita marina tarihin’ny olona tena tsy mitanila ka afaka hampijoro indray ilay tena fihavanana malagasy.
Tsy nanondro anaran’olona mazava iny olona iny tamin’ny fanambaràna nataony tamin’izany, kanefa ny azo antoka dia tsapany ny hiakiakan’ireo noresena tsy an-drariny sy ny fiedinedin’ireo mbola mikiry hiazona mafy ny fahefam-panjakana eo ampelatanany. Miandry ny ho tohiny no ao am-pon’ny malagasy manam-panantenana hivoahana amin’izao zavatra manjo ny firenena izao. saingy matoa mbola ato anatin’ny krizy ihany isika mianakavy hatramin’izao dia vita matavy sy tsy nisy nahatsapa ny resak’iny olona iny izany tamin’izany , ka hatramin’izao. Enga anie ka tsy hisy intsony ireo Dadabe ho fotsy rora miteny toa an’iny olona iny, na koa ho sanatriavin’ny vava hisy hamingavinga indray ho manao fahanteran’alika. Aza misy anie izany! Sa moa efa ny ankizy izao no tena raiamandreny? Na izany na tsy izany dia mandria am-piadanana r’iny olona iny , ary tsy hataon’ny mpandimby ho raraka an-tany ny fahatsorana sy ny fitiavana tao anatinao.
Dadan’i Ranto
Iny olona iny sady hendry no nianatra no nanome ohatra tsara ihany koa.
Ireto olona ireto sady tsy azo lazaina hoe hendry no tsy misy dia nianatra firy no tsy mamela afatsy ohatra ratsy.
Nianatra ihany ny olona amin'izao fa tia tena loatra tsy misy mitsinjo ny vahoaka 20 tapitrisa izay entiny!;hendry izireo taloha fa vao nahazo toerana dia naditra;tsy fehezin'ny lalana intsony...
