jeu.
19
mai
2011
Tsy hitsahatra intsony ny hetsiky ny rodoben’ny malagasy ho an’ny tanindrazana hoy Rakotoamboa Jean Louis, anisan’ny mpitarika ireo mpanao rodobe omaly teny Anosy. Tokony ho tamin’ny 12ora sy 30mn teo no nanomboka nitangorongorona ny vahoaka notarihan’izy ireo, ary minitra vitsy taorian’izay dia vory marobe ny olona ary niainga teo koa ny baomba lakrimozena. Tsy nihemotra ny mpitolona izay saika ny ekipa mpiaraka amin’i Zafy Albert no tena betsaka. Ny profesora Zafy rahateo no nidina teny an-toerana nitarika ireo vahoaka. Nipetraka ny fanontaniana hoe nahoana no teny Anosy no nanaovana ny hetsika ? Novalian’ireo mpitari-tolona fa hanatitra taratasy ao amin’ny fitsarana izy ireo mangataka ny hamoahana ireo gadra politika, sady mikasa ho ao amin’ny RNM sy TVM ahafahan’ny rehetra mandray fitenenana ao...
Mieritreritra handrava ny CST koa ry zareo izay heveriny fa ao no misy ny jiolahy politika mandripaka sy manao tantely afadrakotra ny harem-pirenena. Naharitra ora iray mahery teo ny fifampihantsiana ka nampidonan-tsetroka ny teo Anosy omaly. Noho izay dia voatery nampitsahatra ny filaharana ny mpitarika, saingy nanentana kosa fa tsy hijanona intsony ny tolony fa hitohy anio amin’ny 10 ora maraina ary hanatanteraka ireo fandaharam-potoana voalaza etsy ambony. Hatreto aloha dia nirava maina ny tolona ary tsy nisy koa ny naratra omaly na dia teo aza ny fifanosehana sy ny baomba mandatsa-dranomaso. Fantatra kosa fa olona telo no voasambotry ny mpitandro filaminana. Ny mpitandro filaminana etsy andaniny dia nanambara fa tsy hihemotra fa tsy maintsy miaro ny ain’ny vahoaka sy ny fananam-panjakana izay mety ho potika amin’ny hetsika tahaka izao. Maromaro ny hetsika fitakiana niseho tato ho ato izay miantefa any amin’ny mpitondra fanjakana avokoa. Eo ny teny Ankatso, ity koa fa mitady hahazo vahana ny mpanohitra, ary manginy fotsiny ireo fanamparam-pahefana ataon’ny mpiara-dia amin’ny tetezamita, toa vao mainka mandrehitra ny afo indray.
HERY A
Tsara ny maneho hevitra, fa mba tsy hisian'ny fifandrangitana hiteraka olana hafa na ho an'ny andaniny na ho an'ny ankilany dia tsara ny raha mazava. Vao miainga dia ho aiza ary hanao inona ary voafehy ve ny oloko sao hanimba fananam-bahoaka izay efa zara raha voakarakara. Samia mahereza raha toa ka fampandrosoana no hasian-teny.
rahefa ny hat no manao carnaval tampoka ny zoma hariva tao tana dia nahazo alalana ve?taiza ny emoreg? Izany hiteny malalaka @rnm sy tvm izany dia nofy atoandro e
