jeu.

19

mai

2011

Nodimandry Razanamasy Guy Willy: Aiza izay mba mpandimby azy ?

Nodimandry omaly talata teo amin'ny faha-83 taonany Atoa Razanamasy Guy Willy. Mpandraharaha teo amin'ny sehatry ny fivarotam-panafody no asa fameloman-tenany, ary anisan’ireo niharan’ny herisetra sy noravana fananana tany Toamasina izy tamin’ny raharaha 1972. Tratran’izany herisetra izany koa izy teto an-drenivohitra tamin’ny 2002. Ireo sehatra nandalovany.Namela dindo tsy hay kosehina eo amin’ny tantara politikan’i Madagasikara izy na dia fotoana fohy fotsiny ihany aza no nandalovany tamin’io sehatra io tamin’irenyy vanim-potoana nahamay noho ny krizy politika niseho teto tamin’ny taona 1991 ka nirosoana tamin’ny fametrahana ny Repoblika fahatelo ireny...

. « Olon’ny fifampihavanana » no niheveran’ny mponin’ny Nosy ity nambaran’ny mponin’Antananarivo ho lahimatoany ity, fony izy natolotry ny antoko politika « Fihaonana ». hofidina, ary lany ho Ben’ny tànana teto an-drenivohitra tamin’ny taona 1995. Ny namerina ny endrik’Antananarivo tamin’ny laoniny sy ny fametrahana ny fandriam-pahalemana teto an-drenivohitra, tamin’ny fanamboarana ny araben’ny fahaleovantena sy nanesorana ireo mpivarotra noho ny fiitaran’ny tsenan’Anjoma teo Analakely, no anisan’ny asa goavana nataony nandritra izany.Voafidy ho solombavambahoakan' Antananarivo i Guy Willy Razanamasy, ny taona 1993. Efa filohan’ny komity mpanatanteraka ny Fivondronam-pokontanin’Antananarivo renivohitra anefa izy mialoha izany satria tamin’ny taona 1989, dia Razanamasy Guy Willy no « olon’ny fisokafana » avy amin’ny fikambanana « Iarivo Mandroso » natolotry ny antoko Arema hitondra ny renivohitra ny tenany tamin’izany.

Olon’ny fifampihavanana

Rehefa nafampana ny hetsi-panoherana teny amin’ny kianjan’ny 13 mey tamin’ny taona 1991, ka voatery nandrava ny governemantany ny filoha Ratsiraka Didier tamin’ny volana aogositra 1991, dia Razanamasy Guy Willy no praiministry ny fitondrana tetezamita notendreny, handamina ny krizy politika teto Madagasikara. Tsaroana ny antso avo nataony ka nanakanany ny « diabe » nitondrana vahoaka ho eny Mavoloha nataon’ny « Hery velona Rasalama » sy ny niangaviany ny mpitarika tamin’izany mba tsy hihoatra an’Ankadimbahoaka mba ho fisorohana izay mety hisian’ny faty olona sy rà mandriaka, tamin’ny 10 aogositra 1991. Niezaka ny tsy hampiasa ireo mpitandro ny filaminana hifanohitra tamin'ny mpanao fihetsiketsehana teto Antananarivo Atoa Razanamasy G.W, nandritra ny nitondrany ny tetezamita, satria ho azy dia tsy mahavaha ny olana politika ny herisetra sy famoretana ara-miaramila fa tsy maintsy ny fifampidinihana ihany no lalan-kizorana alohan’ny nanaovana ny fitsapan-kevi-bahoaka sy fifidianana filohan’ny Repoblika tamin’ny taona 1992.

Izy no anisan’ireo angady nanànana sy vy nahitana ny fifampidinihana teo amin’ireo ankolafy politika nifanandrina ka nampikatso ny raharaham-pirenena nandritra ny 9 volana tamin’ny 1991. Tafavoriny teny amin’ny hôtel Panorama Andrainarivo ny hery velona Rasalama, ny MMSM sy ny Féderalista, ny hery velona Rabearivelo, nitadiavana làlana hivoahana tamin’ny krizy politika ka nahavitana sonia ny « Fifanarahan’ny 31 oktobra 1991 », nasolo ny Lalampanorenana, nampilamina ny toe-draharaha teto sy nahafahana nizotra tamim-pilaminana nametraka ny Repoblika fahatelo.

Hainy ny nandamina ny saika ady an-trano nitranga teto Madagasikara ka namoriany ireo mpandala ny foto-kevitra federalisma sy ny mpanohana ny Amiraly Ratsiraka tao anivon'ny Mmsm ary ny Hery Velona tamin'izany fotoana nihaona sy nivory ary namoaka fifanarahana indroa miantoana tany Mahambo Toamasina. Dia sanatria toy ny valabe maty kolokolo va re Antananarivo sy i Madagasikara amin’izao nahalasa an’i « Lesola » izao ? Fa toa tsy hita izay mpandimby manohy izany asa goavana feno fitiavan-tanindrazana natombony izany amin’izao krizy politika miverina izao indray. Ny maro amin’ireo lohandohany mpisehatra politika ankehitriny ireo, afa-tsy ny filohan’ny FAT, anefa niaina sy mpandray anjara mavitrika tamin’izany fotoana izany !!

Izahay eto amin’ny gazety Basy Vava dia miara-miondrika amin’ny fianakaviany ary maneho ny fampionona feno ho azy ireo.

 

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    tenikely (lundi, 23 mai 2011 09:19)

    ...asa... hisy mpandimby ve ny ezaka sy ny lalana nizorany?
    Mandria ampihadanana Raiamandreny, na dia nangina aza ianao dia voarakitra ao am-po ny asa vitanao.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra