jeu.
19
mai
2011
Teo am-piandrasan’ny mpanara-baovao ny hetsiky ry Zafy Albert sy ny namany no nahita zavatra hafa nanaitra ny mponina teny Ampefiloha sy ny manodidina iny. Tokony tamin’ny 10 ora teo dia nisy fokonolona nilanja sora-baventy narantiranty ho hitan’ny mpandeha fiara teo Ampefiloha akaikin’ny tranoben’ny Fiaro teo. Nifanontany ny mpiandry taxi-be hoe inona ary ity ? toa fitakiana hamoahana ny zanany any am-ponja no ataon’ireo fokonolona. Maro no nihevitra fa niainga eny Ampefiloha angamba ny fitakiana ilay mpianatra nosamborina teny Ankatso. Nisy anefa ny ray aman-dreny vitsivitsy sahy nijoro avy hatrany nanambara tamin’ny mpanao gazety fa ny zanany efa-dahy dia nosamborina tamin’ny alahady, noho ny adin’ankizy...
Ny fandehany hoy izy ireo dia misy fianakaviana havan’ingahy Virapin monina eo Ampefiloha. Ankizy tamin’io fianakaviana io no nanana olana ka nifanandrina tamin’ny zoma hariva, zoma firevireven’ny tanora indrindra. Nambaran’ireto mpitokona ireto anefa fa nisy lehilahy efa lehibe naratra tamin’io andro io ka ireo ankizy no voaheloka nanao izany. Tsy fantatr’ireo olona anefa izay namparatra io rangahy io. Nangingina teo aloha ny tantara fa ny alahady vao nisy mpitandro filaminana tonga nisambotra ireo efa-dahy ireo. Fitakiana hamoahana ireo zanany ireo no nataon’ny fokonolona omaly. Am-pilaminana ny hetsika, nanehoana fotsiny ihany fa tsy faly ny vahoaka eny amin’iny faritra iny. Nanome fe-potoana hatramin’ny omaly hariva tamin’ny 5 ora izy ireo hamoahana azy efa-dahy, fa raha tsy izany dia hihahenjana ny fitakiana anio alakamisy. Saika nitovitovy amin’ilay teny Antsahameva ity izay nahatongavan’ny FIS mihitsy, nisambotra ireo zanaky ny fokonolona satria nisy ny fifampikasihan-tanana tamin’io.