jeu.
19
mai
2011
Mbola maro ny mpivady miaina ny fanabeazan’aizana voajanahary na « contraception naturelle » eny fa na dia amin’izao andro efa mazava izao aza. Ny tena tsara dia miresaka malalaka amin’ny mpitsabo ny momba azy io satria tsy voatery handaitra avokoa ireo fombafomba, ny « accident » madinika mety hisy foana, hany ka mety mampikorontana ny mpivady. Na izany na tsia ireto no karazana tetika fantatra fa azo atao sy arahina an-tsakany sy an-davany...
Ny fanalana ny filahiana ao anatin’ny fivaviana rehefa mitady ho tonga ny tsirin’aina na ilay antsoina hoe “retrait ”. Manahirana izy io satria mila mihaino ny vatany ny lehilahy, saingy hisy ny fotoana mety hahatonga fahasorenana eo amin”ny mpivady ka tsy ho tandrina intsony . Ary raha tsy tomombana ihany koa ny fanalana azy dia mety tafiditra ihany ny tsirinaina. 75 isan-jato eo ho eo ny taha mety hahabevoka ny vehivavy amin’io.
Ao indray ny mampiasa tetiandro na “calendrier”
Io indray dia samy manana ny fomba filazany. Fa raha ny voalazan ilay teknika manokan’i Dokotera Ogino-Knaus dia eo amin’ny faha-12 ka hatramin’ny faha-16 andro alohan’ny hatongavan’ny fadim-bolana no maha lonaka ny vehivavy. Tsy tokony hanaovana firaisana izany eo amin’ireo andro ireo raha tsy te hanana anaka. Mitombina anefa io fanisana andro io raha manana “cycle régulier” ilay vehivavy. 15% ny tahan’ny tsy fahombiazan’io teknika io.
Methode Billings
Misy milaza fa azo antoka 99% ny fandairan’izy ity. Misy tsiranoka mivoaka amin’ny fivaviana izay atao hoe “glaire”, ka mila jerena ny hatevenany. Rehefa betsaka ilay tsiranoka mivoaka ary somary madity dia manambara izay fa lonaka ilay vehivavy.
Fangalana hafanana:
Isa-maraina alohan’ny hitsanganana ao am pandriana dia maka ny hafanana (mila thermomètre, ary asisika any anaty fitombenana) ka io no ahafana mamantatra hoe amin’ny fotoana inona ny mpivady no manao firaisana raha tsy té ho bevohoka. Miakatra tsikelikely io hafanan’ny vatana io izay midika fa misy ny ovulation. Rehefa manomboka midina izy dia fambara fa ho avy ny fadim-bolana. Manahirana ihany anefa izy io amin’ny fotoana mety hisian’ny fanaviana.
“Sympto thermique”
Ny tena tsara izany dia ny fanakambana ireo voalaza etsy ambony, izany hoe fangalana hafanana, fijerevana ny tsiranoka; sy ny fanisana andro. Mahafantatra kokoa ny toe-batany amin’izay ny vehivavy ka afaka mifandinika tsara amin’ny vadiny mikasika ny fananahan’izy ireo.
Ho an’ny reny ihany koa dia fanabeazan’aizana ny fampinonoana
Rehefa teraka soa aman-tsara ny zaza dia anisan’ny tsy mahabevohoka ny manome nono tsy tapaka ny zaza menavava. Tsy mihoatra ny enimbolana anefa io; ary tsy latsaky ny adin’ny enina ihany koa ny elanelan’ny fampinonoana ny zazakely. Mety hahomby hatrany amin’ny 98 isan-jato io raha tena ara-dalana ny fanarahana azy. Saro-pady ny fiainana ara-panahana, torolalana vitsivitsy ny anay fa ny tsara dia ny manatona mpitsabo ihany, satria samy manana ny toe-batany.