mer.

18

mai

2011

Vehivavy amidy: Bizina Ar 1 tapitrisa indray mipalaka°!

Tsy hoe ilay vehivavy akory no mivarotra ny tenany mivantana tahaka ny mpivaro-tena fahita isan’andro fa misy olona manera vehivavy ka mandray vola iray tapitrisa ariary isaky ny vehivavy iray, izany hoe mitovy amin’ny entana amidy hahazoam-bola ny vehivavy. Izay indray izao no bizina maizina ataon’ny mpitady vola maty eritreritra. Diso aho kah°! Tsy maty eritreritra manko e°! Fa tena mahay mampiasa zanaka atidoha mitady izay fomba rehetra hahazoam-bola…

Vahiny mpanam-bola no mampitady ny entana. Mampitady satria misy fepetra takiana mikasika ny entana atolotra azy : vehivavy tsy matavy, lava volo, fotsy fihodirana, avy eto afovoan-tany, tsara feo… Rehefa mahafeno ireo fepetra ireo ny entana dia asain’ny mpanera mifampiresaka mivantana amin’ny mpampitady, ka raha toa eo am-piresahana eo no tsy dia azoazon’ny mpividy ilay feon’ny entana, dia rava maina tery ny tsena°; raha toa kosa moa ka mifanaraka tsara amin’izay feo ilain’ny mpividy dia raikitra ny varotra ary entina manatona azy ny entana.

Alohan’ny ampiasàna ny entana amin’izay hitiavany azy ao anefa, dia efa voaloa tsara ny iray tapitrisa ariary volan’ny mpanera, ifampizaràna kosa ny vola avy eo ka ny telo hetsy ariary omena ilay vehivavy amidy, ary ny ambin’izay dia an’ilay mpanera°!

Avy amin’ny sokajim-piaraha-monina samihafa no itadiavan’ny mpanera ny entana, saingy ny tsy maintsy azo antoka dia ilaina ny hahaizan’ny vehivavy teny vahiny na kely fotsiny ihany aza°! Tsy mety hiteny gasy manko ilay mpividy na dia efa ela niainana teto aza°!... Tsy hita intsony izy ity°!

Saholimalala

écrire commentaire

Commentaires: 12

  • #1

    jacta (mercredi, 18 mai 2011 17:15)

    Sabory ary afatory avy hatrany ary atero any TSIAFAHA izany olona mivarotr'olona sy mividy olona izany.Maninona raha ny (vadiny na ny zanany no amidiny...);manararaotra ny fahatran'ny sasany izany ka tsy azo ekena velively mihintsy.Aiza ny tompon'andraikitra amin'izany? MALAKY?MALAKY?.....MALAKY.

  • #2

    tsilavokely (jeudi, 19 mai 2011 21:56)

    Marinany anao mùaninona raha ny fianakaviany no amidiny,tena manararaotra ny fahasahiranan'ny sasany

  • #3

    baonjijy (samedi, 21 mai 2011 20:43)

    Ny fiafarany dia haka olona ankeriny ry tsy valahara.Izay mahita ry zareo tonga dia ampiharo ny fitsaram-bahoaka ah.Tsy mila fitsarana eny @ tribunal izany fa hitanareo ihany ny eny; mety efa manomana vola @ izany izy fa ny dangy no sahaza azy.Aza mifanehatra amiko aloha izany e!Angaha izany ilay fiovana tadiavina?

  • #4

    tenikely (lundi, 23 mai 2011 09:29)

    Tsy rariny izany fanararaotana izany; raha jerena indray mitopy ireo kasingan-tsivana toa mahalasa fisainana ihany; bika aman'endrika ary ny feo??? ho lasa mpanakanto hafa fanao no atahorako. Samia mailo dia tandremo ihany sao ahitan-doza.

  • #5

    belolo (mardi, 24 mai 2011 18:49)

    Gadrao mandram-pahafatiny fa tena mambotry firenena izay olona manaho an'izao asa ratry izao sady manararaotra ny fahasairanan'ny MALAGASY.Mninona raha ny Anabaviny sy ny fianakaviany no AMIDINY.Mety anolana ankizy kely koa no iafarany,tena ahitan-doza izany ka tokiny sakanana dieny izao.

  • #6

    rama (jeudi, 26 mai 2011 18:18)

    FIDIRAM-BOLAN'NY MPANONGAM-PANJAKANA FOZA IO KA TSY A AFAKA HANAO INONA ISIKA E NY TANINDRAZANA AZA HAMIDINY JERENTSIKA FOTSINY

  • #7

    Drryy!! (samedi, 28 mai 2011 09:52)

    reo vevav reo ange ts noterena na natao kindnaping f zareo mht no te-hiarak @ vazah. Ts aleon v mankany rah fenony ny fepetra takiana aminy. Na zah ts izy nandeh aho rah mahita an'zan. Ts hitako n olan @zany fa mitovy @varotra rht io. Misy ny tompony n mivartra azy mivantana ar misy koa mpanelanelana. Rah hoe angalarina n vevav d amidy, marna n anareo. Tonga d tampaho mihits n lohany sa?

  • #8

    toloho (lundi, 30 mai 2011 17:32)

    i johellina andry nirina no mpanao io business io

  • #9

    tsy maka lagy (mardi, 31 mai 2011 08:47)

    raha toa kosa ve ka mahavita azy @ fiainana no handehanany ivarotena any ko ina ny olana? na ,ratsy zany de mba omeo vahaolana izy fa de tena efa mafy ange ty krizy ty e!izay no atao hoe ny tsy fanana mahavita maniraka! ary tsy terena ko ange le ola ny handeha any e!!!

  • #10

    mampalahelo kanefa (mardi, 07 juin 2011 19:17)

    andray e zao ve ianero vao maheno izany tsy ny tsy manana ihany anie izao ny manao izany olona manambady efa azo lazaina hoe manana ny ampy ary izao mbola manao izany ko, aiza ary nareo izany aherikereo ny maso e ,ny ahy aloha raha olondehibe efa mihatra ny 18ans ny manao izany tsihitako izay olana e ny kibo tsy mba lamosina ny asa ato ity hifampitadiavana, ary ny orinasa vitsy mba mitady piasa mitaky faripahaizana sy traikefa sns , nga tsy hainareo mbola tena betsaka anie ireo tsy mba afa nianatra noho ny fahantrana tsivitany fanenjehana sy fanaratsina be vata fotsiny izy io sady isika samy gasy tsy mba mahay mifampy ,izany ny fanararaotra no hainy akamaroatsika eto ,izaho izao mahita tovovavy tanora mbola mpianatra manao ireny asa isakarazany ireny mba hanohizany ny fianarany raha manakomena indray ianareo inona moa ny mba tsy mora aminizireny ihany koa anie ny viravirain'reny panambola ireny ei ny any gasy mpanambola ,dia ny hanakarama aminy vola kely zara raha maha vidy vary kely sady mpanadio ny malotony no mbola latsaina kitakita,fanambanina tsy voatanisa ,aminy karama tsy mahavita erinandro akory zavamisy ary tena mbola misy io ,azonareo tsara angamba an,fa araky ny tenin'ilay namana etsy ambony hoe raha angalariny na tereny kosa ve mendrika azy ny lalana henjana tena henjana ,

  • #11

    bokymivelatra (jeudi, 23 juin 2011 13:43)

    mahantra n malagasy ka misy manararaotr b loatra zan fahantrana zan!!!!!!!!!!!

  • #12

    kiks (mardi, 27 mars 2012 18:18)

    reo anie tsy noterena e!!azony antoka ny olona nirahina ka inona no idiranareo am zany ?fidirambolany io! tsy fidiny ho azy anie no tsy misy e! aza mba variana mitsikera ny fiainan sasany ry reto a! ny anao atsaraina

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra