mer.
18
mai
2011
Roa volana izao no nanendrena an’Atoa Yves Aimé Rakotoarison tao amin’ny fitondrana FAT. Tsy vitsy ny nanara-dia azy tamin’izany, toerana telo no setrin’izany tanjany ara-politka izany. Napetraka mazava tsara ny tanjona efatra antony nidirana tao amin’ny fitondrana ; fiverenan’Atoa Ravalomanana, fifidianana mangarahara, fitoniana ara-politika, fitondrana iaraha-mitantana. Maro ny fampanantenana natao tamin’ny mpanara-dia izay avy amin’ny ankolafy Ravalomanana. Nomena toky ny mpanara-dia tamin’izany fa izay rehetra tapahina na amin’ny fanendrena olona hiara-miasa na amin’ny fanapahan-kevitra politika goavana dia hiaraha-manapaka izany. Ary tsy hatao anjorom-bala mihitsy ny mpanohana avy ao Tsiazotafo.
Roa volana aty aoriana, apetraka ny fanontaniana, inona ny ezaka vita°? Aiza ho aiza amin’ny fanatanterahana ny tanjona ireo tafiditra ao amin’ny fitondrana°? Mandeha ny fivoriana eny Tsimbazaza sy Anosikely, efa fiaraha-mitantana ve no miseho eny°? Tsy nilaina indray ve ny fanitarana izay ao anatin’ny tondrozotra izay nosoniavin’Atoa Yves Aimé Rakotoarison°?
Miomana amin’ny fifidianana ny FAT, efa mahazo toky ve ny ankolafy Meme fa ho tafaverina Atoa Ravalomanana amin’io fifidianana kasaina hatao io°? Mandroso amin’ny asany ny CENI, matoky ny hisian’ny fifidianana mangarahara ve ny ankolafy Meme amin’ny endriky ny CENI amin’izao fotoana izao°? Raha hiresaka momba ny fitoniana ara-politika indray, efa tafavoaka daholo ve ny gadra politika eto amin’ny firenena, na fara-faharatsiny ny ampahany betsaka°? Toa tsy handrenesam-peo mantsy Atoa minisitra mikasika ireo tanjona efatra ireo.
Raha nanao ny fanendrena ny mpiara-miasa aminy ny minisitra dia amin’ny 80 noraisina tsy hita taratra ao ny mpanara-dia tao Tsiazotafo fa saika olom-baovao tsy fanta-pihaviana no mameno ny ministera. Niala maina fotsiny ireo mpanohana nanatitra CV tany amin’Atoa minisitra, fa ny tsy voaray tsy voaray, ny very CV very CV. Ny Staff moa rehefa voatery teny Anosikely tamin’ny fanontanian’ny CST ny minisitra dia notendrena tefi-maika teo noho eo izy ireo. Maro no kivy satria tsy araka ny nantenaina ilay fanendrena.
Nantsoina hanadio ny ministera ny mpanohana, natao asa maro tànana izany (HIMO), nazoto ny mpanohana satria nokaramaina vola 5 arivo ariary tsirairay rehefa avy nanapa-kevitra ny minisitra fa hiasa mandra-paharivan’ny andro ny mpanohana. Akory anefa ny hagagana fa dimanjato sy roa arivo ihany no naloa. Mba tsy hisian’ny olana dia mpikambana nahafatrapo avy any amin’ny faritra no nanefa ny ambiny.
Dia mandry ve ny eritreritra°? Tanteraka ve ny fampanantenana°? Ho tratra ve ny tanjona efatra izay napetraka°? Sao dia tanjona hafa lahy no nitarihana ny mpanohana°?
Razananivo Mariette
Mpanohana nanatitra manomboka ho kivy