mer.
18
mai
2011
Izay fikambanana rehetra (na eto an-toerana, na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena) mitaky ny fampanjariana fihaonana vaovao mba hamahana izao krizy izao dia tokony hahafantatra tsara ny mety ho antonantony handavan’ny mpifanandrina izany dinika izany. Ary ny mpitazana, na koa ireo mpanaraka ny vaovao sy ny fizotry ny fivoarana ara-politika rehetra, dia tsy tokony ho lany andro hifandresy lahatra amin’ny tsy antony, fa hifototra amin’ny antony mbola ilàna izany dinika izany indray na tsia.
Rehefa henoina tsara ny fanehoan-kevitra etsy sy eroa dia Rajoelina Andry sy ireo rehetra mpomba azy (mety ho efa ao anaty fitondrana, na koa any ivelan’izany) no tsy vonona intsony hidinika sy hitady ny vaha-olana ho an’ny firenena. Misy antony tena mahatonga izany, ary ireo antony rehetra ireo no tokony hanampiana ity fitondrana tetezamita ity satria izay ihany no tena vaha-olana raha ny fomba fanavazany sy ny hevitr’izy ireo.
Tanjaka ara-politika ?
Manoatra lavitra noho ny filoha rehetra voafidy teto (tsy resahana ny momba ny hala-bato na tsia) ny tanjaka ara-politika ananan’ny mpitondra ny tetezamita ankehitriny. Manaiky ary nanome hasina io fahefana eo an-tanany io ny foloalindahy malagasy izay mariky ny aro riaka farany tsy haharava ny Repoblika. Manampy izany ny andrim-panjakana mpiaro ny fampiharana ny lalàmpanorenana nofidiam-« bahoaka » eny Ambohidahy. Ireo dia ampy hanamarinana fa manana ny tanjaka ara-politika tsy azo hozongozonina ny mpitondra (°?) ka tsy manan-kevitra ny hifampidinika amin’ny hery mpifanandrina aminy intsony. Mety hanana ny fahalemena sy ny kilezolezo mitaiza azy izao fitondrana izao, saingy noho izay fahalemena ananany eo amin’ny ara-drariny izay no tena mampihizingizina azy tsy hifampidinika ihany koa. Sarotra ho an’ny fitondrana indray ny hiverina hidinika ka handrava ny lalàmpanorenana izay nokarakaraina tamin’ny 17 novambra 2010. Ity lalàmpanorenana ity dia norafetina mba hahafahan-dRajoelina Andry mirotsaka ho fidiana amin’ny fifidianana izay ho filohan’ny Repoblika faha-IV, ary efa averimberiny matetika fa tsy maintsy handresy izy raha vao hirotsaka ! Taratra amin’ny fanehoan-keviny rehetra fa tsy maintsy hirotsaka tokoa izy.
Tsy mety hiova hevitra
Mbola mitolona amin’ny fampandresena ny heviny ny mpitarika ny tetezamita avo ankehitriny satria ny tetezamita izay tarihiny dia naoriny mba hakàna fitondrana sy handravana tanteraka ny mpitondra teo aloha. Tsy manana « hevitra » arovana mandritra ny dinika atao ny filoha avo sy ny mpomba azy. Ny atao mandritra ireny dinika ireny dia tsy ho azo eritreretina mihitsy ny ho fanajana ny hevitra anananao raha ratsy tohana sy hita miharihary loatra ny tsy hahombiazany. Nandritra ny fotoana nitondrana ny firenena malagasy, ny fahefa avon’ny tetezamita dia mbola tsy nahavaha na dia ny olana ara-tsosialin’ny mponina faran’izay madinika indrindra aza, koa sarotra ihany ny hiarovana ny hevitra ara-politika raha miroso amin’ny dinika. Tsy maintsy mandefitra sy manaiky ny hevitry ny hafa koa anefa raha mbola te-hiresaka. Tsy misy azon’ny fahefana avo handeferana daholo, na ny fandavana azy tsy ho mpitarika ny tetezamita, na ny famotsoran-keloka politika, na koa firotsahan’ny mpifaninana aminy toa an-dRavalomanana ho fidiana, na ny ho fiverenana amin’ny fampiharana ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-IV. Tsy mety amin’izao fahefana mpitondra an’i Madagasikara izao ny handefitra amin’ireo hevitra miisa efatra ireo ka aleony mifikitra amin’ny hery any ivelan’i Madagasikara mba hiaro ireo heviny ireo. Izany hoe : Mivaha ny olan’i Madagasikara rehefa eken’ny rehetra ireo « hevitra » tian’ny fahefam-pitondrana amin’izao fotoana. Atao ny fifidianana ary Rajoelina Andry no mpitarika ny fahefana tetezamita mikarakara izany, tsy mahazo mirotsaka ho fidiana Ravalomanana, ny lalàmpanorenana voafidy tamin’ny 17 novambra 2010 no hampiharina, ary ny famotsoran-keloka dia ho an’izay tian’ny mpitondra (amin’ny alalan’ny CT sy ny CST) ihany no hahazo izany. Izay te-hidinika dia tsy maintsy manaiky ireo ?
Misy adino (ankoatra ny andrim-panjakana sy ny miaramila) mampijoro io tetezamita tarihin-dRajoelina io dia tsy iza fa i Norbert Lala Ratsirahonana.
Tsy hoe fanambaniana an-dRajoelina fa mazava loatra fa na Rajoelina aza no tompon'ny fahefana dia Ratsirahonana no tena ati-doha mitondra ny tetezamita.
Andramo heverina anie ny fivoharan'ny tanjaka ara-politika mety ananan'io fitondrana tetezamita io raha tsy misy an'dRatsirahonana e!
Mivoatra sy miha-matanjaka hatrany ve, sa mirodana tsikelikely (sa aingana), sa mihitsoka tanteraka?
honore rakotomanana :miseo ho ray aman-dreny mijoro nefa miray tsikombakomba aminay mpanolana: nasainay nanao intervention resaka fanolanana dossiern'na zaza tsy ampy taona dia nety, ataonay mody alaina vady ny zanany sahondravololona ramarokoto izay efa lanizara
