mar.
17
mai
2011
Manoatra koa noho ireny fipoahan’ny baomba ireny no fanakoakon’ny nanendrena iny olona iny mba hiasa sy hanolo-tsaina ny filohan’ny tetezamita avo ao Ambohitsorohitra ao. Vazaha sa Gasy iny olona iny ? Nahabe ady hevitra mihitsy mantsy fa hay vazaha iny olona iny ary izy no nampiandraiketina ny momba ny tolo-tsaina ho amin’ny fifandraisana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Araka ny fanazavàna azo avy tamin’iny olona iny dia noho ny ezaka nataony teo amin’ity sera iraisam-pirenena ity no angady nananana ny fihazàna ny faneken’izao tontolo izao ny fahefan’ny mpitondra eto. Izy araky ny firesany ihany koa no nahatsapa fa tsy mety intsony ny fiarahana amin’ny mpitondra ankehitriny ka naleony nitsaitsaika niala. Raha notomorina dia tsy nisalasala mihitsy iny olona iny, amin’ny fahatsapany ny maha-Gasy azy, ny hanampy amin’ny fomba rehetra ny fireneny (?)mba hanala izao fahoriana manjo antsika izao. Nafoiny ny fitantanana ny orinasa manokany fa ny famonjena ny tany niaviany no nimasoany.
Saingy nomarihan’iny olona iny kosa ankehitriny fa tsy ho avotra intsony ity mpitarika ny tetezamita ankehitriny ity, na dia manana ny finiavany sy ny fitiavany ny tanindrazana iombonana aza, satria tsy ho afa-manoatra mihitsy amin’ny afitsoky ny fifandrohitan-kevitra eo amin’ireo manodidina azy.
Raharaha hafahafa moa ny vokatry ny fanendren’ny filohan’ny fahefana avo ity mpanolon-tsainy ity satria dia nananambara iny olona iny fa niezaka hampitsiry hatrany ifotony ny ho fivahan’ny olana eo amin’ny politika malagasy ny tenany. Betsaka sy marobe no tsy mankasitraka velively ny fanendrena azy teo amin’ny toerany, araka ny fanazavany ihany, satria hevitra maromaro no narosony mba ho famahana ny krizy Gasy. Anisan’ireny ohatra ny fanendrena an-dRanjeva Raymond ho lehiben’ny CENI (ilay komisaona mpikararaka sy mpikirakira ny fifidianana), na koa ny haha-filohan’ny CRN (komity ho an’ny fampihavanam-pirenena) ny Profesora Zafy Albert. Manelingelina ny ankamaroan’ireo olona mitangorona amin’ny filohan’ny fahefana avo ny tenako, hoy iny olona iny, ka naleoko nametra-pialana avy hatrany mba tsy hitaran’ny tsy fifankazahoana. Anisan’ny ngonongonona nameno ny lalan-tsara koa anie fa nahilika noho iny olona iny, r’Ingahibe ao an-dapa ao e !
Fa tsy izany no feo mivoaka avy any anaty lapa any e ! Voaroaka sy noroahina iny olona iny ary tsy mahafa-po sy be loatra ny tantara ratsiny teo aloha, ka tsy mampirindra tsara ny fizotra ho amin’ny lalana efa nosafidian’izao fahefana avo izao. Koa tsy natao nahagaga raha tsy anisan’ireo nandrafitra ny mambra ny delegasion’ny fitondrana avo tamin’ny dia rehetra natao tany an-drenivohitra Frantsay sy tany amin’ilay fivoriana an-tampony tany torkia iny olona iny. Saingy na noroahina iny olona iny na nandroaka tena, na koa nametra-pialàna dia hita taratra amin’ny zavatra mitranga toy ireny ny tsy fahamatorana eo amin’ny fanendrena izay olona hiara-hiasa aminy ny filohan’ny fahefana avo. Tendritendrena fotsiny tsy misy fanadihadiana ve ity olona rehetra ity ? Nanaovana fanakianana mahery vaika manko ny fampahalalam-baovao izay namotsipotsitra ny mombamomba iny olona iny raha vao voatendry fotsiny izy. Notondroina mihitsy ho mpanala-baraka sy manoso-potaka fotsiny no ifanaovana eto. Dia nodakana indray iny olona iny izao satria tsy zaka ny filazany ny tokony hatao ? Tsy mbola ho foana mihitsy ny kiafinafina sy ny fifanondroana molotra ho tompon’antoka amin’ny fahavoazantsika eto satria misy olona tsy mety ho diso mihitsy eto amintsika eto. Aleo koa hiala any iny olona iny fa tssss…sady tsy Gasy iny no tsy Vazaha e ! Sa sady Gasy no Vazaha ?
Dadan’i Ranto