mar.
17
mai
2011
Tsy nahomby ny dian’i Andry Rajoelina tany andafy. Raha nahita rirany tamin’ireo diany tany Tiorkia sy tao Frantsa izy, efa nataony nanakoako ho ren-tany aman-danitra ny fahombiazany tany ivelany. Diso hevitra izay milaza fa raha natao teo ampovoan’ny SG-n’ny firenena mikambana sy ny filoha tiorka izy nandritra ilay fiaraha-misakafo, dia efa manaiky antsika ireo firenena eran-tany.
Lany andro nitady fankatoavana eran-tany ny filohan’ny FAT nandritra izay roa taona izay, ka ny ain’ny vahoaka malagasy no lasa sorona. Tsy nisy zava-bita fa variana mitady tetika ahafahana mandresy lahatra ny any ivelany isika. Mahaontsa ny mahita an’ingahy Andry Rajoelina tonga any Frantsa, ka ministra no mandray azy, fa tsy filoham-pirenena. Midika izany, fa toy ny olon-tsotra fa tsy olom-panjakana ny filohan’ny tetezamita eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Mbola any amin’ny SADC ny baolina, ka izay fepetra apetraky ny vahiny no tsy maintsy toavina.
Ny mampieritreritra dia ny fihetsiky ny olona mpiara-dalana amin’izao tetezamita izao, milaza fa tsy tokony hiandry izay fihetsiky ny vahiny isika, fa ny fifidianana ihany no ahafahana mahazo ny fankatoavana, nefa ilay fifidianana mandeha ila aza tsy ankasitrahan’ny sehatra iraisam-pirenena. Mivadi-dela matetika ny mpitondra, ary tsy mahita lalan-kivoahana amin’izao krizy izao. Tokony hametra-pialana ny Governemanta raha tsy manaiky antsika ny SADC ary ao anatin’ny 48 ora dia tokony hiala ihany koa i Andry Rajoelina raha mitsifotra ilay dinika momba an’i Madagasikara ny 20 mey ho avy izao. Ravàna daholo ihany koa ny CT sy ny CST satria andrim-panjakana tsy misy vola hiasàna no tsy ankatoavin’ny any ivelany. Raha hiroso amin’io fifidianana io, hoy ihany ny Pasitera Mailhol tao amin’ny radio fanambarana ny alahady alina, dia hisy hihevitra ve fa raha hanao io fifidianana io, dia hanaiky antsika mora foana ny sehatra iraisam-pirenena avy eo ? Tsy ela, dia ho hita ny ho avin’ity FAT ity, hoy ihany ity mpaminany ity, ary ny nataon’ny fitondrana teo aloha ihany no mbola averina amin’izao, toy ny tsy famelàna olona haneho hevitra an-dalambe sy ny fisakanana mpiray tanindrazana tsy hiditra ny tany nahalatsahan’ny tavoniny.
HERY. A
belalahy juge d'instruction'i ralaitsirofo benjamin vadin'i sahondravololona mpiray tsikombakomba @ resaka fanolanana zaza tsy ampy taona
site
Mbola hoe ela vao hilamina ity tantara ity raha izao
maninona raha avela hody ny sesitany politika e atao ny fifidianana malalaka d ho ita eo zay tianolona e ary mba tokony alamina amzay fa tena mila andohalika ilay fahatrana e ary mila mivavaka ny gasy
