sam.

14

mai

2011

Rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana: Mipararetra ny FAT

« Hamarana azy isika Malagasy. » Tsy misy intsony izany resaka ankolafy telo izany, fa ny Malagasy manontolo no indray mihetsika. Tao ny antoko samihafa, fikambanana, olon-tsotra, ray aman-dreny, tanora, lehilahy sy vehivavy miray hoan’ny fireneny… Hita tao amin’ny tokotaniben’ny Villa Elisabeth ny solontena avy Fianarantsoa, Toamasina ary Toliary. “Nanao lava alina izahay, hoy izy ireo, hamonjy ny hetsiky ny Malagasy.” Hita ho vonombonona ny rehetra, omaly, tao amin’ny sehatra nomen’ny filoha teo aloha, Zafy Albert, hampivondronana ny tia tanindrazana rehetra, akamban’ny tanjona tokana: hametraka ny tetezamita tena izy.

“Izay mivadika aloha…”

 

Raha nandray fitenenana ny avy Fianarantsoa, nosoloin-dRajoma Emmanuel tena, di atsotra ny hafatra nomeny : « Izay mivadika aloha, kely ila. » Nambarany tamin’izany fa samy olon-dehibe (ampy taona ve ny dikan’izany?) no nifanome teny sy nifanaiky, kanefa dia notsipahina izany ny ampitson’ny nametrahana sonia. Nampiany ny tenin’ny Soratra Masina mihitsy aza moa, manao hoe: “Ny fireharehana no fiantombohan’ny fahalavoana”.

Ho an’ireto vahoaka marobe vonona ny hidina ka hanao Rodobe ireto, dia “tsy mendrika ho an’nyMalagasy izao toejavatra iainany izao: fahantrana, setrasetra, lainga sy fitaka, tsy rariny, fanagadrana noho ny fanehoan-kevitra, fanaovan aampihimamba nyharen’ny fireneny…

Tonga ny fotoana. Ny fanazavana heno teny an-toerana ihany koa dia nilaza ny anton’ny niandrasana fotoana hatramin’izay: “noho ny fahendrena Malagasy, dia naleo aloha niala nenina. Misy fetra anefa ny fandeferana, koa dia indreto ny Malagasy satria leo izy.” Aingaina ny soatoavina, toy ny hoe: tondro tokana tsy mahazo hao. “Rodobe no ady eo.” Tamin’ny alakamisy teo no natomboka ny hetsika ka nanomezana ny masoivoho Amerikana ny taratasy manazava aminy ny zava-misy marina eto an-toerana. Ny firenena amerikana rahateo efa namoaka ny toejavatra eo amin’ny lafin’ny zon’olombelona eto Madagasikara. “Tsymisy demokrasia” hoy ilay fanambarana.

Hiainga ny toromarika. “Hetsika mitohy ary hamarana ny krizy” no antom-pisian’ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana. Voarain’ny any amin’ny faritany syfaritra rehetra manerana nyNosy ny hiaka. Anio mbola misy nyho avy, satria “tsy raharahan’Antannaarivo manokana izy ity, fa an’I Madagasikara mihitsy.”

 

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra