sam.

14

mai

2011

Film X: Mamelona hozatra

Ny film X na horonan-tsary mamoafady no raiben’ny horonantsarimihetsika maneran-tany. Ry “frères Lumière”, mpamokatra sarimihetsika kalaza fahiny no namoaka “film X” voalohany raha aratantara. Tamin’izay fotoana izay dia ireo mpivaro-tena miaraka amin’izay nividy azy no nalaina an-tsary tao anaty efitrano mihidy sady maizimaizina ary tao anatin’io trano maizimaizina io ihany no nandefasana izany avy teo. Nivoatra teny ihany izany ka lasa nisy feony raha moana hatrany am-piandohana. Niitatra rahateo ny firenena...

sy toerana namokatra “film X”. Nisedra olana anefa izany tany Etazonia tamin’ny taona 70 tany ho any satria noraran’ny lalàna sy fitsarana izay tsy nahay nanavaka ny olona mahazo vola noho ny firaisana ara-nofo sy ny

fanehoana an-tsary sy an’horonan-tsarimihetsika ny firaisana ara-nofo, izany hoe ny mahakanto azy sy ny mahafitadiavam-bola azy. Tsy mahagaga raha nofaritan’ny lalàna ho isan’ireo mpivaro-tena ihany ireo mpilalao horonan-tsary mamoafady. Amin’ny maha asa azy io anefa dia samy manana ny talentany ireo mpilalao. Izany Linda Lovelace na Linda Susan Boreman, tera-tany Amerikanina no mpilalao film X nalaza voalohany ka isan’ny nampalaza azy ny filalaovana tao amin’ilay horonan-tsary nitondra ny lohateny hoe :“Gorge profonde” nivoaka ny taona 1972. Nipoitra tsikelikely avy tany amin’izay ireo mpilalao film X ary maro no nihanalaza toa an-dry Marilyn Chamers, Gloria Leonard,Georgina Spelvin, Tina Russell, Leslie Bovee, Sharon Mitchell, Colleen Brennan, Careena Collins, Sharon Kane, Constance Money ary Bambi Woods. Ry Sylvia Bourdon, Brigitte Lahaie, Karine Gambier ary Barbara Moose kosa no nalaza tany Frantsa.Nivoatra nanaraka ny teknolojia ny film X ka nandalo ny VHS ka hatrany amin’ny DVD ihany koa. Tsetsatsetsa tsy aritra no hilazana fa tsy dia mikaonty loatra ny vatana sy atsarantarehy amam-bika ho an’ny lehilahy fa ny tena mikaonty dia ny faharetana eo am-piraisana sy ny fahaizana mitana ny ranon’aina tsy ho lasa

aloha loatra. Fantaro ary fa ry Jenna Jameson, Belladona, Aurora Snow, Asia Carrera, Jill Kelly, Chloe Jones, Heather Hunter, Ashlyn Gere, Silvia Saint, Danielle Rush, Monica Sweetheart, Anita Dark, Lea Martini ary Sandra Romain no kalaza amina filalaovana horonan-tsary mamoafady

ankehitriny.

Zaka Fils

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading
Radio Longo Madagasikara

Vaovao Tselatra

Vidio , vakio, ny Vaovaontsika

09:46(20feb2013) Toetry ny andro

Vinavinaina ny hiditra an-tanety

ao amin'ny faritra atsimo

andrefan'ny nosy rahampitso

alakamisy ilay rivo'doza HARUNA

09:25(14jan2013)Toetry ny andro

Misy andro ratsy niforina ao

amin'ny océan indien 6000km

miala ny morontsiraka, nomena

anarana EMANG, mizotra atsimo-

andrefana ny diany.

08h20(03 jan 2013): mpivarotra

Nanao bemidina teny behoririka

indray ireo mpiasan'ny fivondronana

nanala ny fivarotan'ireo mpivaroytra

amoron-dalana.

 

11:00(23-11-2012) Seimampafi..Noraisin'ny filohan'ny tetezamita Rajoelina izao maraina izao

 

Ireo mpanao fitaterana ao anatin'ilay Sendikan'ny mpanao fitaterana eto Madagasikara no hilaza ny olan'ny fitaterana eto Madagasikara eny Ambohitsorohitra. Tsy ny fitaterana an-tanàn-dehibe ihany no manana ny olana fa ny sehatra nasionaly mihitsy araka ny fanazavana azo avy amin'ireto SEIMAMPAFI ireto.

11:10(22-11-2012):Maty i Haja RAKOTONIMANGA


Very Mpanakanto isika malagasy, satria dia nodimandry i Haja Rakotonimanga noho ny aretina nahazo azy.Anisan'ireo mpanakanto nisongadina teo amin'ny tontolon'ny jazz izy, ary efa nitendry ihany koa niaraka tamin'ireo mpanakanto maro eto Madagasikara.Vao omaly no notontosaina ny tolo-tànana ho azy mialoha ny fandidiana, nefa dia izao tsy tana izao ny ainy.
Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany sy Elsie vadiny ny mpiara-miasa rehetra eto

11:32(21-11-2012) Taxiphone: Lasa manararaotra loatra

 

Ankoatra ny mpitatitra izay niaina ao anatin'ny gaboraraka tanteraka dia sahirana tokoa tato ho ato ny mpanjifa noho ny afitsoky ny Taxiphone. Mifamaly fotsiny no hany ataon'ny mpanjifa sy ny mpikirakira ity asa ity satria nisondrotra tampoka teo ny saran'ny fanjifana ka tonga hatrany amin'ny 300 ariary ny sandan'ny iray minitra

11:12(21-11-2012) Kaomina mitoka-monina

 

Tapaka ny lalana mampifandray an'i Bezaha sy Benenitra vokatry ny fahasimban'ny Radier ao Besely, tanimbary 4.000 ha no simba, 1.000 ha hafa tsy mahazo rano. Ireo no vokatry ny fahavakisan'ny barazy ao Ambarinakoho Bezaha. Ny alin'ny sabotsy hifoha ny alahady teo no nisy izany tarehin-javatra izany.

11:00(20-11-2012) Raikitra ny fitokonan'ny Mpitatitra an-drenivohitra

 

Misavoritaka tanteraka ny raharaham-pitaterana eto an-drenivohitra. Andrasana ny ho tohin'ny raharaha satria efa miatraika mivantana amin'ny amin'ny fandaham-potoan'ny sarambaben'ny olompirenena ny fitokonan'ny mpanao fitaterena an-tanàn-dehibe. Misy an-kavitsiana ihany no manao ny asany an-davanandro. toy ny 133...139

11:30(16-11-2012Mpandraharahan’ny fitaterana

“Fampihorohoroana izao ataon’ny fanjakana izao”


Tsy ekena ary lavina marindrano ny fanomezan-dalana ny zotra ivelan’ny renivohitra hiditra an-tanan-dehibe, satria mety hitarika korontana eo amin’ny samy mpitatitra izany. Mety hanosika ireo mpitatitra rejionaly sy nasionaly hiditra eny Analakely hitady mpanjifa izany » hoy Richad, filohan’ny jeunes transporteurs. Ho an’ny filohan’ny FIMPA (Fitaterana mpanjifa) kosa dia fanontaniana no napetrany: “ndrao mba vava fotsiny hampihortohoroana ny mpandraharaha miantsehatra amin’ny “urbaine” izany fa tsy hahatanteraka hatramin’ny farany akory ka handiso fanantenana ny mpanjifa?” Nanampy izany tamin’ny fahitàny ny zava-misy ankehitriny ny filohan’ny SEIMAMPAFI, Rakotoarisoa Hery, fa fanapotehana ny UCTU io ary fampihorohoroana ataon’ny fanjakana mihitsy. Na izany aza dia nanamafy ity farany fa tsy hiady velively ny samy mpitatitra na inona tetika hampizarazarana azy ireo fa kosa hitsangana hiaro ny fandraharahan’izy ireo.

15:12(15-11-2012)Adala hilomano anaty lapa: Nahaliana azy ilay tifi-drano

 

Mafana tokoa ny andro ka mihetsika ny hadalàna isan-karazany. Tahaka ity tranga tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely ioatoandro io. Tsy fantatra na ahoana na ahoana ny fomba nidiran’ity ranamana ity tao amin’ny tokotanin’ny lapan’ny tanàna tao, satria mihidy ny vavahady; fa izy efa nanomboka nanala akanjo handeha hilomano no tazan’ny tompon’andraikitra.

Migaingaina tokoa moa ny andro ka asa na noho ny hafanana be loatra no nampihetsika ny areti-tsainy. Avy hatrany dia nanao be fiavy tamin’ny fiaran’ny fivondronana ireo polisy monisipaly handeha hisambotra azy, ka vaky nandositra, ary nifanenjehana erak’iny tokotanin’ny lapan’ny tanàna izy.

16:23(14-11-2012) Foana ny fotoana nomen-dRaharimanana Patrick

 


Nofohanan'ny Commune Urbaine d'Antananarivo ny lanonam-panokafana ho famoronan'asa ho an'ny rehetra izay atao ao Mahamasina ny alahady 18 novambra 2012. Lanonan saika handraisan'ny artista maro samihafa anjara no sady hijoroan'ilay kandida ho filoham-pirenena Raharimanana Patrick

12:45(14-11-2012):Frais lasa 400 Ar

Aiza izay fanovàna eo ?

 

Ny 90% n’ireo koperativa eto an drenivohitra dia mampihatra avokoa ny saran-dàlana 400 Ar. Tsy azo ihodivirana intsony hoy ireo mpitatitra satria dia efa nihoapampana ny vidin-tsolika. Na ireo koperativa izay tsy nampihatra io 400Ar io tamin’ny 1 Novambra aza, dia efa manaraka izany. Amin’izao dia misy sarany 3 ny taxi-be. 200 hatramin’ny 400 Ar izay tena mampiteraka sahotaka mihitsy. Ny vahoaka moa dia tsy afa-manoatra fa dia manaraka ny onjany eny fotsiny. Ny zavatra tsapa anefa amin’izao fotoana dia tsy dia hita firy ilay fanovana nampanantenaina ny vahoaka, taorian’io fiakarana io. Aiza izay kalitaon’ny fandraisana mpandeha ? Aiza izay fiara mihatsara eo ? Toa mbola « strapotin » mankarary fitombenana sy mandrovitra akanjo no hita anaty fiara sasany ? Toa mbola maloto sy masiso ihany ny « receveur » sasany ? Toa mbola manao « poteau » efa ho 20 mn ihany ireo zotra sasany ? Raha nandefitra kosa aloha ny mpandeha nanaiky 100 Ar be izao, tokony tsy atao ambanin-javatra velively ny momba azy. Ekena fa misy tokoa ireo zotra sy koperativa tena manao ezaka fa vitsy ihany izy ireny. Anjaran’ny koperativa tsirairay no mijery izany ho fitsinjovana ny vahoaka. Tena aleo ny samy madinika no mifampitsinjo fa raha fanjakana dia volan’ny Cnaps hoy ny fiteny izay.

11:40(11-11-2012) Ho avy tsy ho ela intsony "ny Vaovaontsika"

Newsletter