sam.
14
mai
2011
Diso hevitra, satria mbola natsipin’i Frantsa any amin’ny SADC ny baolina momba an’i Madagasikara, mba ahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena. Be mantsy ireo nihevitra fa raha mandingana ny tokonam-baravaram-panjakana any Frantsa, dia hahazo fankatoavana avy hatrany. Ny loharananom-baovao samihafa no nahafantarana, fa sehatra goavana tsy azo lalovam-potsiny ny SADC. Nenina iray lavaka ho an’ny fitondrana tetezamita ny nanao vava ratsy tamin’izy ireo, raha vao nandray ity fitondrana ity.
Tsy sahy natao nanakoako ilay fitsidihana an’i Juppé, satria tsongon-drenikely angaha no azo tany, ka tsy natao nalaza toy ilay fiarahana nisakafo natao tamin’ny filoha Tiorka ilay fihaonana tao Paris. Hatreto, dia bala rora ihany ny filazana fa efa manomboka manaiky antsika ny sehatra iraisam-pirenena, matoa mahazo fanasàna amin’ny fihaonana iraisam-pirenena toy izao ny filohan’ny FAT. Ilay sori-dalan’ingahy Simao ihany koa etsy ankilany, dia mbola mananosarotra ihany, satria ilay tondro zotra tokony hiarahana mametraka amin’ny fitondrana tetezamita hiaraha-mitantana io mbola toherin’ny ankolafy telo io.
Ny tsapa, dia tsy mahavaha olana raha isika samy isika, noho ny fitiavan-tena diso tafahoatra eo amin’ny mpanao politika, ary mbola ny SADC ihany no tompon’ny teny farany, ka na ny reny malala aza toa tsy nampitondra vatomamy, fa tsongon-drenikely no azo, matoa tsy nisy fidedahana toy ny mahazatra heno momba iny dian’ny delegasiona tao Paris ity?
Basy vava
Mbola aiza no hahazo azy e ! tsy hisy olona hankato mpangalatra izany oa ! aiza ve ka roa taona mahery dia io fa mihodikodina eo fa tsy tafavoaka .Ny vahaolana dia ny miala rehefa tsy mahita lalan-kombana fa tsy ny vahoaka no fahanana lainga marivo-tototra isan-andro izao .Sao dia heverin-dry zalahy ireo fa mbola repoblika faharoa ary amin'izao ka taizana amin'izay TVM sy RNM kely ihany ny vahoaka.Aleonay mijery film am DIVX toy izay mijery TVM na RNM efa lany andro izany.
