ven.
13
mai
2011
Daty sady kianja ny « 13 mey”. Faha 39 taonan'ny Tantara tsy hay hadinoina ny andron’ny anio zoma 13 mey 2011. 13 taona in-3 izay hatramin'ny 13 mey 1972 (13 X 3=39). Nitondra tahotra ny 13 mey (ny kianja sy ny daty) ho an’izay mpitondra nifandimby. Fa amin'izao fotoana ankehitriny izao ny kianja dia misalotra endrika vaovao, mifefy vy tena hafa tsotra izao. Ary izao vao misy mpitondra manao anton-draharaha, fa ho kosehina sy verezina anarana amin'ny "fitiavana an-kosotra » ny 13 mey sy ny fahaleovantena
Inona no dikany sy heviny ?
Refin'ny tahotra ny fefy vy. Lanjan'ny tsiny ny fitalahoana fitiavana. Mavesatra tsy zaka lohalohavina eo amin'ny tantara ny tsiny amin'ilay kianja natao sehatry ny fitaka sy fandrendreham-bahoaka , nananganana fanjakan'i « Baroa » sy ny « mandeha ho azy » tamin'ny 2009. Latsa-nenina ireo mpandoto kianja tamin'izany. Efa tantara anefa ka tsy hahavoakosoka azy intsony? Nisy aza « Baroakely » nanaonao foana tsangam-bato teo fa tsy navelan'ny RARINY niangana akory izany. Levona sy tsy hita fototra. Ny fefy vy ve tsy mahasakana tsy ho faty ara-politika eo amin'ny Tantara ?
Misy fambara ho an'ny manan-tsaina ny 13 mey 1972.
Fitondrana "Vive La France" tsy mahatanty mpifaninana politika, sady miolonolona no mikiantrano an-trano manapempo, no nampisalorana ny fitantanana ny fiveranan’ny fahaleovantena. Samy mpitondra no mifandrafy. Tampi-dàlan-kaleha ny mpianatra hatrany amin'ny Oniversite. Namoy fo ny Zatovo Ory Asa (ZOAM). Ny fanjakana mamba noana lasa mpangarom-paosy mitaky hetra isan-dahy. Nikomy ny ambanivohitra hatrany atsimo. Asa famoretana no nataon'ny Zandary. Ny radio sy ny filazam-baovao tratry ny sivana. Samborina izay rehetra mihetsika fa hoe "fiokoana" sy "fanonganam-panjakana". Notanterahina ny fifidianana petatoko namboarina tamin'ny fanaovany azy, sady ho fitazonana aina hitan'ny ekipa nitondra. "Mbola tsy teraka izay olona handimby anao, Prezidà". 90% mahery no nolazaina nandany ny Prezidà tamin'ny desambra 1971. Nofaohin'ny 13 mey 1972 tahaka ny tsy nisy izany rehetra izany. Nangaina, nilofika ny matanjaka sy ny mpitratrevatreva. Tsy mbola teraka ny Zandrikely tamin'izany Fa raha mba nianatra sy tsy nitoky tamin’ny toro vohona dia ho nahalala ihany izany « fambara » izany. R'Ingahibe tsy mahalala fadim-panjakana manosika azy hanao z’inona ny 13 mey, mahalala fa tsy miraharaha izany. Nambarany ampahibemaso fa "tsy fadin-drazany, hono, ny manongam-panjakana". Ny dimbin’ny mpanjanaka koa mahafantatra tsara ny fisehon’ny tantara saingy te-hanao hena an-tànan-tsaka. Mamoy fo sy mamono tena ny very asa. Arongatry ny aretin-tsaina indray, miridana ny tanora andiany any an-tsekoly. Petatoko ka hoe mandeha ny Oniversite ary nosokafana manta vao omaly no omaly. Mikatona ny radio « hafa fijery » ary gadraina sy fefena an-tsesitany ny tia tanindrazana. Minday basin'ady fampiasan'ny miaramila ny jiolahy mandrongatra, tsy an-tsaha tsy an-tanàna, tsy ambanivolo, ary tsy an-tanàn-dehibe. Mihafeno ny fambara ary tsy azo ivalozana
Tsy navelan'ny tantara hahita anarana hafa afa-tsy FAT (fahefana avon’ny tetezamita), ary na niolaka teny vazaha aza dia PHAT ihany, ny mpifikitra an-jambany amin’ny fahefana. Lasa hendratrendratra amin'ny "sabotazy" sy ny "fiokoana hamono hahafaty" ny manodidina azy. Fahafatesana pôlitika eo anatrehan'ny tantara anefa tsy ho voasakan'ny fefy vy eo an-kianja.
Ny 13 mey andro lehiben'ny Fanjakana iarahana mitantana efa 13 in-3 tsy voakosoky ny « Baroa » tokona in-dray mielatra amin'ny tantara.