jeu.
12
mai
2011
Tamin'ny tafa fohy nataonay tamin'ny solombavambahoaka teo aloha, voafidy tany Faratsiho no nahafantarana fa fanaterana taratasy ho fisaorana ny Masoivoho Amerikana no anton'ny "rodobe" hataon'izy ireo anio etsy Andranomena, ny anton'izany hoy izy dia noho ny tatitra nataon'ny masoivoho ity momba ny tsy fanajana ny demokrasia, ny tsy fitsimbinana ny zon'olombelona izay mampikaikaika ny vahoaka malagasy, "tsy hisy olon'i Ben Laden" akory eo ka atahorana hametraka baomba fa am-pilaminana toy ny fanaonay hatramin'izay no hitranga anio hoy Henri Randrianjatovo. Rodoben'ny demokrasia io hoy izy, koa dia hampiseho ny heriny ny "Rodobe hoan'ny tanindrazana" androany. Mahakasika ny fanelanelanana ny krizy kosa indray dia nambarany fa ny hevitra tapaky ny SADC ihany no eken'izao tontolo izao, ary io no ara-dalàna koa dia mahatoky izay havoakan'ny fivoriana tsy ara-potoana hataon'ireo filoham-pirenena mpikambana ao amin'ny SADC amin'ny 20 na 23 may izao izahay hoy izy.
Livabe/HERY A