jeu.
12
mai
2011
Adin-tsaina, alikaola, harerahana, ny adidy maha ray aman-dreny, ny hatavezana… Tsy ireo ihany fa misy endrika hafa mampihena ny hetsaka eo amin’ny mpivady na eo amin’ny mpifankatia. Inona no hatao?
Adin-tsaina
Fotoanany izao, hoy ianao? Na ny tsy fananana asa fotsiny aza dia efa tsy itadiavana hetsaka. Olana ara-bola, asa mafy loatra, aretina na olana eo amin’ny fianakviana…
Inona no hatao?
Mila mitady ny fomb a hialna amin’ireo adin-tsain aireo. Tsy tokony atao ho mavesatra ka tsy hahalalana intsony ny olon-tiana izany. Misy ny manao fanatanjahan-tena. Eo ihany koa anefa ireo fihetsika fisefoana isan-karazany… NA izany aza, aza adinoina ny manatona mpitsabo.
Ny harerahana
Antony iray tsy hiakarana intsony koa io harerahana io. Tsy mahita tory, taitai-dava, antgony maro no mahatonga ny harerahana tampoka. Rehefa vizana ny vatana, mihena ho azy ny fitadiavana hetsaka ka ny torimaso no mahamaika.
Inonja no hatao?
Ataovy feno tsara aloha ny torimaso. Mora lazaina io aloha e! Saingy tsy misy zava-miafina ny momba izany, ny torimaso ihany no fanafody voalohany. SAingy momba ny torimaso tapatapaka, tsy aleo manatona mpitsabo? TAhaka ny fiesonana, ny tsy fahitana tory, ny fitsangana amin’ny alina tsy toy nymahazatra…
Tsy mahavelona intsony…
Eny e ! Io kosa aloha, vao tsy mahavelona ralehilahy, dia mitsingidina koa ny fiainan’ny mpifankatia. Teraka ho azy eo ny tsy fifampitokisana. Dia io koa tsy mahataitra ny an’ny sasany mihitsy. Antony maro anef ano mahatonga izany. Misy ihany koa ny fanafodiny.
Inona ny fanafody?
Aza matahotra mihitsy manatona mpitsabo. Azo tsaboina tsara io. Mety ho ny saina fotsiny ihany mantsy dia mahasitrana azy. Vonona ianao? Ho avy izy an! Aza adinoina koa anefa fa ny resaka ifanaovan’ny mpoifankatia dia mety hampivaha ny olana. Goavana io ! Ho hita eo ny olana mety ho niteraka ny tsy fitiavana hetsaka tampoka teo.