jeu.

12

mai

2011

Maninona e ?

Mitoloko mafy mihitsy ry Hanitra RANAIVO amin’iny hirany iny raha nivolana fa «ny heriko manontolo no hatambatro mba hampitsiky anao». Natambatra tokoa ny hery rehetra tao anaty tao mba hahatonga iny volana iny ho tsinjon’ny olona faly. Dia faly ny akama e ! Nihinana sy niara-nisotro tamin’ny henjana indrindra maneran-tany. Marina fa fivorian’ny mahantra sy faran’izay ory eran-tany no natao tany amin’ity firenena Tiorka ity, saingy tsy nahasakana ny hafaliana any anatin’ny akama sy ny mpomba azy izany e ! Tena vao mainka nisidina any amin’ny avo sy ny tsy hita noanoa ny resaka ankehitriny. mahazo tsara ny dingana sy ny fanazavana marobe natao azy ny firenena izay iresahana. Tena marim-pototra ny tolona ho amin’ny fanovàna natao teto amintsika ka mendrika ny hotohanan’ny sehatra iraisam-pirenena amin’izany izany. Tsy maninona loatra koa anie na dia aty amin’ny taona faha-telo aty vao « kaopy » ny olona e! Izao vao fantany fa tsy haitraitra ny antsika raha namotsotra ny fivoriana iraisam-pirenena roa tokony hifanesy teto amintsika. Tsy filingilingiana velively ny fihazonantsika ny hevitsika ka tsy nahoantsika na tapaka sy tsy nanjary intsony aza ny fifandraisana ara-barotra tamin’ny be kintana. Izao isika milamina tsara ! Hanao fifidianana fa efa tafidina eto an-tongotsika ny volana. Haleloia!

Tsy misy toa antsika eto amin’ity izao tontolo izao ity. Ary toa manohy ny resak’ilay Ramose tamin’ny fotoan’andro ny resaka ankehitriny : « Ianao tsy ho irery fa izaho ho tonga ary hitondra kilalao, ho avy ny ampitso ka hitondra ny hafaliana hitobaka eto ». Tsy maintsy ho naman’izao tontolo izao ihany ny Gasy rehefa nijalijaly sy niankarapodrapoka nandritra ny fotoana maharitra. Hisy fitoriana fitiavana miraradraraka tsy misy toy izany avy any amin’ireo firenena tena namantsika. Natonton’ny mpitarika antsika teto amin’ity tnindrazana malala ity ny heriny rehetra mba hampitsiky antsika. Adidiny sy tokony hataony izany angamba ,hoy ny sasany ? Fa firy tamintsika tokoa moa no nanana fikirizana amin’izany nataony izany. Vao nanomboka anie izy ity dia efa nisy ny fanesoana fa « tsapao aloha ny hery » e ! Koa amin’izao fotoana izao dia maninona tokoa moa raha aleo izy hirotsaka ho fidiana ho filohan’ity firenena ity ? Iza koa no hahasakana azy amin’izany ? Iza no hilaza fa tsy mendrika an’izany ny tenany ? Efa noporofoiny fa tsy maintsy handresy izy, ary vonona amin’ny fiatrehena ny mety ho sakana amin’izany. Maninona tokoa raha haverimberina eto amintsika ny fiarahana amin’ny salobo-komana ? Dia harodana sy hakorontana indray rehefa atsy ho atsy ? Maninona raha tsy vahana ny olan’ny gasy madinika fa rehefa mirana sy faly ny mpitondra dia ampy, maninona koa raha ekena fa efa ifanaovana sy ifamaliana faty ny fomba mahazatra eto ?

Tsy resabe sy fampidinana ny volana ho eo an-tongotry ny Gasy akory no ho famahana ny olana eo aminy. Tsy ny ho fankatoavan’izao tontolo izao na tsia ny governemanta najoro tsy akory no tena mamaha ny olana mianjady eto. Mbola niverina any amin’ny taona folo tany aloha tany anie ny firenena izao e ! Rahoviana indray vao hahatoky antsika ho amin’ny fandraisana fivoriana iraisam-pirenena ny olona ? Rahoviana vao ho voaverintsika ny fifandraisana ara-baotra efa nisy teto hatrizay ? Haharitra hafiriana vao ho tongatsika any an-tsekoly ny zanatsika voatery niala noho ny hanohanana sy ny aretina ? Mandra-pahoviana isika vao tena hahatsapa tena fa tsy ny fifanonganana no tena dikan’ny fampandrosoana ny firenena ? Fa maninona tokoa raha hajanona raha tsy hay e ! Efa ho telo taona manimba sy mikoropadropaka etsy sy eroa dia mbola omena inona koa ? Omena dimy, na folo taona indray ? Omena fahefana feno ? Finiavana tsy hita ho refesina ? Omena fitiavana ohatran’ny lohabe ? Raha indray mandeha no mamitaka mbola azo hitampifiana, raha in-droa tsy misy hifanomezan-tsiny, fa raha fampiesonana efa maherin’ny telo dia maninona tokoa raha ajanona any fa tsy manja e ! Tsy misy azo itokisana intsony ny fanambarana sy ny belazao etsy sy eroa fa ny hany azo antoka dia samy nanao e ! Nanao ny tsy mety sy ny ratsy, tompoko ! « Lasa any izy iny omaly, ary namela alahelo ho namanao ».

Ony RAMBELO

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra