jeu.

12

mai

2011

Malagasy niasa tany Maurice: Miasa iray volana vao manasonia “contrat

Resahana hatrany, tato ho ato ny mahakasika ireny tera-tany malagasy mila ravinahitra any andafy ireny. Saika nifantoka tamin’ny resaka Liban ny resaka satria tany no nahitana tranga mahatsiravina sy nahonena, nihatra tamin’ireo vehivavy tera-tany Malagasy. Nanao izay ho afany ny fanjakana mba nanafoanana ireny fiondranana ireny aloha, saingy ankehitriny dia mbola mahazo vahana izany. Misy ny sarona eny am-panidinana, fa ny mahagaga dia misy ny tafita any ivelany any ihany. Efa maty, na tratry ny fahavoazana any vao fantatra fa hay nandeha koa ikala anona iny! Ny fandehanana miasa any, tsy olana fa ny zava-misy dia fanandevozana no hita. Tsy hitantara ny any Liban intsony aho fa ao amin’ny nosy Maurice koa ange ka misy karazan’asa handrantovana Malagasy hiasa any e! amin’ny internet no hiantsoany izay te hiasa. Misy ity orinasa iray misahana serasera ity izao dia niantso Malagasy manao “opérateur chat” any Maurice. Dia tena hoe tombontsoa raisim-potsiny raha ny ao amin’ny internet satria voalaza tao fa manodidina ny 375 000 ariary ny karama, ary misondrotra mihoatra ny 50%, afaka roa na telo volana.

Nifanohitra amin’izay ny zava-misy fa rehefa tsy misy ny “connexion” miantoka ilay asa dia tsy mitomboka koa ny karama. Te hiala avokoa ny ankizy nandeha tany fa tsy azo any amin’ny mpampiasa ny “passeport” raha tsy mandoa karama herintaona, sady mianto-tena raha te hody. Ny havany aty Madagasikara no niantoka io ankizy io, ary nambarany koa fa efa nisy roalahy voatery nandositra. Mandre izy ireo fa eto Madagasikara ilay nampiasa azy tany Maurice, mikaroka olona manana diplaoma bacc+4 sy bacc+5, hanao io asa io any aminy. Hafatra no apetrako hoy i Alice ho an’ireo izay voarebirebin’ireny olona ireny fa efa miasa iray volana any ianao vao tolorany contrat soniavina. Manaiky ianao dia mijanona, tsy manaiky ianao dia mianto-tena mody. Aleo voky ravim-bomanga eto an-tanindrazana hoy i Alice, toy izay hilanja faty avy any Maurice. Toa rano nararaka an-damosin-gana avokoa ireny hetsika nataon’ny fanjakana ireny fa ny malagasy mpivarotra olona, manao ny ataony ihany. Sa aleo atao hoe safidy io ka samia mizaka ny valin’ny safidiny.

HERY A

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra