jeu.
12
mai
2011
Mahery hoaho ny filohantsika. Tsy nataony nahasakana azy izay sazy kely napetraky ny SADC, fa dia nitety firenena arak’izay saim-pantany izy.
Avy any Torkia ny lehilahy, dia ao Frantsa indray anio. Ny minisitra Frantsay Alain Juppé no handray azy, ary izay hetsika ataon’ny GTT manameloka izay fihetsiky ny reny malala izay, tsy ahoany, satria efa ny ngeza ve no miantso fihaonana tsy ho avy ny maherifontsika. Be no milaza fa hivavaka amin’i Alain juppé, mba hanery ny SADC hankato izao FAT no anton’ity dingana ao La Frantsa izao, saingy manana ny tetika hiarahany manao ingahy Andry Rajoelina sy Frantsa. Na dia nanambara aza ny masoivoho Frantsay eto Madagasikara Jean Marc Chataigner, fa tsy fitsidihana ofisialy io, dia misy dikany eo amin’ny mpanara-baovao maro izao fihetsik’i Frantsa izao.
Miditra lalina
Raha ny tsapan’ny rehetra dia miditra sy mijabaka amin’ny raharaha maro aty Afrika ny Frantsay. Tsy hiteny afa-tsy ny atsy Lybie sy Cote d’Ivoire isika, fa mandray anjara mavitrika amin’ny fampandrian-tany, na fanjanahana ireo firenena ireo izy, izay ilazàna azy tsy olana, fa tompon’antoka goavana tamin’ny tranga niseho teto Madagasikara ihany koa ity firenena ity. Tsy atao mahagaga raha ireny no fihetsika nasehon’ny COI, izay mametraka ny fitokisany amin’ity FAT ity. Hivimbina vatomamy avy ao Paris sa kapoka karavasy noho ny fiziriziriany tsy hizara fahefana ingahy Rajoelina rehefa avy mihaona amin’ny reny malala anio ? Hanisy lanjany ny taratasy nalefan’ny GTT ho azy ihany koa ve ingahy Juppé, sa hataony toy ny rano araraka andamosin-gana ireny fitakiana nataon’ny malagasy monina any ivelany ireny ? Anio no ahitana ny tena marina momba an’i Frantsa.
B.V
Ny fanaovana "Zone Urbaine Sensible" ny faritra rehetra manerana an'i Madagasikara ho an'ny teratany Frantsay no fomba iray ahazoan'ny Malagasy ny fahaleovan-tenany sy ahafahany miala amin'ny fanjanahana ara-tsaina sy ara-panahy ary toe-karena.
