mar.

10

mai

2011

« Masturbation » Inona izany ?

Mbola betsaka isika no tsy mahalala an’izany atao hoe : « masturbation »? Tsy fampianaran-dratsy akory fa fampahafantarana fotsiny. Ny “masturbation” dia fakana fahafinaretana ara-nofo amin’ny alalan’ny fikitihana na fisafoana na filalaovana ireo toerana sy fitaovana ara-pananahana. Io teny io dia avy amin’ny fiteny frantsay hoe : “manusturpation” araka ny voasoratra tao amin’ny toko faha-12 ao amin’ny bokin’ny Essais hoe : “Apologie de Raimond Sebond”. Ny “manusturpation” dia fitambaran’ny teny hoe : “manus” midika hoe main na tanana sy ny hoe : “stupratio” midika hoe : “action de souiller”.

Ho an’ny lehilahy dia ny fikitihana na filalaovana amin’ny alalan’ny tanana sy ranon-javatra malamalama toy ny an’ny fivavian’ny vehivavy no fomba tsotra sy voalaza fa be mpanao. Manampy tosika izany fotsiny ny fikitihana izay faritra mahatonga fahafinaretana toy ny nono, ny lavaka any aoriana, ny fe sy ny maro hafa.

 

Ho an’ny vehivavy kosa dia ny filalaovana ny “clitoris” sy fampidirana ny tanana na fitaovana hafa any anaty fivaviana no tena be mpanao indrindra.

Voararan’ny lalana ny fanaovana izany ho an-dry zareo tandrefana teo aloha fa efa zary lasa fomba fanaon’ny olona ny “masturbation” ankehitriny. Ny antony tena mahabe mpanao azy ity dia noho izy vitan’ny olon-tokana. Na izany aza dia azon’ny olon-droa na mihoatra atao ihany koa izany.

Zaka Fils

 

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra