Vao maty vady dia nahita angatra ! Io no niandohan’ny aretin’i François, monina ao anatin’ny boriborin-tany faha-telo eto an-drenivohitra. Olona miakanjo mainty manaloka azy isan’alina no nambarany fa hitany, ary dia miantso vonjeo hatrany izy, satria toran-kovitra noho ny tahotra. Efa nahazo taona ihany izy, satria efa mananika ny 70 taona mahery. Niteraka tazo ho azy izany, ary niha-nahery vaika ny aretiny. Nihombo io, ka nanatona mpitsabo, saingy tsy hita soritra izany aretina izany. Ny volana aprily teo no naiditra hopitaly tsy miankina eto an-drenivohitra izy, ary nanomboka nibontsina ihany koa ny kibony. Natao avokoa ny ala-nenina rehetra, ary notarafina, saingy tsy nahitana soritr’aretina. Toy ny olona bevohoka ny fahitana azy, hoy Lalaina zanany vavy, ary natao avokoa ireo karazam-panafody toy ny seraoma, mba hanome hery sy hanafaka ny aretiny saingy ny omaly tsy miova ny toe-pahasalamany.
Tena nihevitra tokoa ireo havany fa arahan-dolo ity raim-pianakaviana ity, ka nandorana fati-bolo sy ala-faditra amin’ny herin’ny maizina. Indrisy fa saika nafoy ny ain’ity antsoina hoe François ity. Vehivavy mpitsabo etsy 67Ha no noatonina antsoina hoe Noelah, ka io no nanavotra azy. Fanjaitra fito sy diloilo kôkô no nitsaboana azy, ary nahosotra tamin’ny kibony ilay nivonto toy ny bevohoka valo volana iny. Tsara ny milaza fa tsy nahatafavoaka maloto nandritra ny andro maro izy, ary ny fianakaviany efa nampionon-tena fa hanaraka ny vadiny vao maty ity rangahy ity. Ny alina nanosorana ilay fanafody, dia tafatsangana ilay lehilahy, ary nitady tavy nanaovana maloto. Namofona be tao amin’ny hopitaly vokatr’io fanaovana maloto io, ary dia nanomboka afaka ireo aretina nampijaly azy tao anaty kibony. Niakatra ihany koa ny hafanany ary ny maraina dia efa tafatsangana nihazo ny WC ny tenany. Ny nanaitra ny rehetra dia nivadika olitra avokoa ireo maloto tapaky ny tavy izay nataony ny alina. “Lehilahy niteraka olitra” hoy ny havany, ary manomboka efa miverina ny toe-pahasalamany ny sabotsy teo. Nambaran’i Noelah izay nitsabo azy, fa mosavy no nahazo ity raim-pianakaviana ity, ary mbola manaraka fitsaboana amin’izao fotoana izao. 0346132862 no ahazoana ity mpitsabo ity ho an’izay liana amin’izany.
Ry havana, santionany fotsiny ireto Teny omeko anao ireto raha mitady fitsaboana ianao, tsy andaniana na crédit akory aza fa mamaimpoana ! « Ary Jesosy niantso ny mpianany roa ambin'ny folo lahy
hankeo aminy ka nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto sy hahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra. » (Matio 10:1)
« Ary nahasitrana olona maro izay nararin'ny aretina samy hafa Izy sady namoaka demonia maro; ary tsy navelany hiteny ny demonia, satria nahafantatra Azy ireny. » (Marka 1:34)
« Fa efa nahasitrana olona maro Izy, ka dia nifanety taminy mba hanendry Azy izay rehetra nanana aretina*.[*Gr. kapoka] » (Marka 3:10)
Mibebaha satria taranaka mpanota isika, ary raiso Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy, dia ho sitraniny ianao fa aza mety rebireben'ny olona ry rahalahy sy anabavy isany. Misaotra.
