mar.

10

mai

2011

Hiteny ny vato (*)

Misy ny resaky ny Ntaolo taloha hoe : Akoholely nofaohin’ny papango, ka lasa ambony vao tra-pahoriana. Iza moa no tsy hiaiky ny fahamarinan’izay fiteny izany raha mahita ny « fisidinana » any amin’ny avo any, izay ataon’ny mpitondra mamim-bahoaka eto Madagasikara eto. Tsy ny amin’izao tetezamita izao ihany no resahana sy tondroina amin’izany fa izay rehetra niana-kendry ny hisidina dia nadaraboky ny « papango » rehefa teny ambony teny. Ka na tsy maty aza dia « mihinana ilay nolazaiko ». Tsy nisy nisidina (na iray aza) ka nahafaly ny mpitazana sy nitondra fahombiazana fa dia lasa any amin’ny rahona angamba ka tsy mahita intsony ny tokony hojerena, indrindra ireto Gasy mitsimpon’akotry ety amin’ny tany ety. Miverina indray ny tantara ary na tiantsika na tsy tiantsika dia tsy isika rehetra miaina izao zavatra iainan’ny firenena izao no mba afaka hisoroka ny loza tsy maintsy hiseho. Midanadana ho an’ny Gasy indray ny fifampiadaniana sy ny gidragidra noho ny hevitra tsy mitovy.

Tapitra ny fotoana, ary tsy misy fanjakana sy fitondrana intsony eto hoy ny andiany mpanao rodobe. Fa nisy izany ilay izy (fitondrana sy/na fanjakana) teo taloha ? Efa nifanekena izany fa iny tetezamitan’i Zandry iny dia tsy maintsy nihafiana teto na inona na inona nataony ? Iny izany no marina sy neken’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana ka tsy maintsy nankatoavina ? Ka inona indray ilay ara-dalàna noventesin-dava tsy nahalalana hasasarana nandritra izay roa taona izay ? Ny dikan’ity rodobe vaovao ity izany dia ho fanararaotana ny kitapo latsaka indray fa tapitra teo ilay 24 volan’ny fahefana avon’ny tetezamita ? Raharaha izany lehiretsy a ! Mifangaro sy tsy misy lohany sy vodiny. Ny fahefan-dRajoelina dia tapitra ka tsy azo avela amin’izao ny tanàna fa tsy maintsy hasiana mpifehy ? Tsy ho azony an-tsaina izany satria ny rehetra mihitsy no mbola manaiky ho feheziny, manaiky ny fahefany, manaiky ny maha-mpitondra azy. Fa efa mba nisy nanontany tokoa ve ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana fa Rajoelina Andry tokoa no tondroin’ilay lalampanorenana fa mpitarika ny tetezamita ho any amin’ny repoblika faha-IV ? Raha tsaroantsika tsara dia nisoratra tao ny anarany tamin’ilay volavola nasehon’ilay komity fakan-kevitra momba ity lalampanorenana ity. Nesorina tao tamin’ny fotoana farany anefa io anarana io satria taiza teto ambonin’ny tany tokoa moa no hisy lalampanorenana hisy anaran’olona ao anatiny ? Tonga eo amin’ny kihon-dalana vaovao sy sampana tena mampitogaigy amin’izay isika ankehitriny : Iza no nilaza sy nanome fahefana an-dRajoelina fa mpitarika ny tetezamita izy ? Ireo rehetra nanao « eny » tamin’ilay lalampanorenana ? Tokony hankatoavina sy hajaina tokoa izany fanampahan-kevitry ny « vahoaka » tompom-pahefana izany. Saingy indrisy ! Nampiasa zavatra hafa (ilay rangotr’akoho) tsy mifanaraka amin’ilay lalampanorenana nifanekeny tamin’io « vahoakany » io ny mpitarika, ary naleony nisidina niaraka amin’ny papangolahy eny an’habakabaka.

Samy handray ny vato am-pelan-tananany ankehitriny izay rehetra manam-bato. Hitoraka ny « papangolahy » ama-jatony tsy mahalala afa-tsy ny tenany. Ny rodobe dia nanome baiko (tamin’ny alalan’ny tafondro vava) fa hakatony amin’izay ny tranon’ny papangolahy eny Tsimbazaza sy Anosikely. Tsy maintsy hialàny sy handosirany ny tora-bato manjo azy ireo, ary havotsony ilay akohokely nofeheziny hatrizay, hadarabony, ary dia ho feta irery. Tsy maintsy hidaraboka sy ho mafy fianjera satria tena nisidina avo loatra, ary tra-pahoriana ihany. Moa tsy mbola tsapan’ny rehetra eto amin’ity tany ity ihany ve fa manjaka eto amintsika ny toetran’ny mpandrombaka ny kitapo latsaka, ny mpisompatra amin’ny alalan’ny mosavy, ny mpihevi-tena ho famantsilahy sy babany ? Saingy ny mahita loza sy ny mitondra faisana dia ny vahoaka mpitazana sy tsy manam-pidiny. Rehefa mifampitora-bato maharitra eo ve tsy ho tototra sy hilevim-belona rehefa manaiky. Haintsika ilay vato taingenan’ny vorona sy hanaovany maloto e ! Tsy afa-miteny !

(*) vatom-pifidianana, vato namelan-kafatra, vato nitoraham-pody, vato kilonjy….

Ony RAMBELO

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra