mar.

10

mai

2011

Fivoriana an-tampon’ny SADC: Very fanahy ny mpanao politika

Tsy maintsy hirosoana ny fifidianana filohan’ny repoblika sy ny ho solom-bavambahoaka amin’ity taona ity, raha ny hevitra mivoaka avy eny amin’ny fitondrana ny tetezamita ankehitriny. Efa dinihina eny amin’ny andri-pitondrana mpanao lalàna ny lalàna fehizoro miisa telo nivoaka tao amin’ny filan-kevitry ny minisitra Ankilan’zany kosa dia hametraka ny tetezamita heveriny fa tena mamaly ny hevitry ny rehetra ny rodoben’ny malagasy ho an’ny tanindrazana izay tarihan’ny Profesora Zafy. Mihenjan-droa ny tady raha tombanana amin’ireo fanambarana roa mifanipaka ireo. Ary raha tena tomorina tsara dia hita taratra fa tsy manantena na inona na inona ny amin’izay ho fanapahan-kevitra hivoaka mandritra ilay fihaonan’ny Sadc ny mpanao politika amin’ny ankapobeny.

Tsy manana hevitra afa-tsy ny bontolo sisa ny mpanao politika eto amintsika. Tsy misy vonona amin’izany fifampidinihina izany intsony, na dia manezaka mafy aza ny sasantsasany amin’ireo firaisa-monina sivily sy ny « fifamatorana vaovao », na koa ny « vovonana » itambaran’ny mpanao politika, izay mbola tsy kivy ho amin’ny fampifanatrehehana ny mpifanandrina rehetra ho eo an-databatra indray. Tsy misy miandry izay hiseho any ambadiky ny 20 mey 2010 intsony izany ?

 

TGV sa tsy TGV ?

Io no hiakan’ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita avo tany Farafangana tamin’iny faran’ny herinandro lasa iny. Io hiaka nataony io dia mazava sy tsotra ny fototry ny tiany ho tenenina. Mahazo milatsaka daholo izay te-hirotsaka ho fidiana hoy ny fanazavana nataony. Miroso maka bahana sy efa mangalatra fiaingana izany ny mpihazona ny fahefana amin’ny fiifidianana izay tiany hotanterahina, ary ny fihetsiny nanararaotra ny fahefam-pitondrana eo am-pelatanany dia porofo iray indray fa tena hirotsaka hofidiana ny tenany. Io moa dia nohamafisiny hatrany tamin’ny dinika nifanaovany tamin’ny gazety boky « jeune Afrique » tamin’ny faran’ny herinandro farany teo , fa tsy maintsy ho lany izy raha hirotsaka ho fidiana mandritra izao tetezamita ho avy izao, na koa afaka dimy taona. Tsy fantatra mazava moa ny foto-dalàna samihafa hitantanana ity fifidianana tsy maintsy hirosoana ity, saingy efa hita taratra ihany fa tsy maintsy hanome vahana ny mpitondra sy mpitantanana izany fifidianana izany. Marina fa miverimberina hatrany ny resaka fa mandritra izao fanatrehan’ny filoha avon’ny tetezamita ny fihaonan’ny firenena mikambana mahakasika ny firenena mahantra izao, dia hihaona amin’ny filoham-pirenena maromaro eo anivon’ny Sadc ny tenany. Izany dia tsy noho ny fiandrandràny ny any ambadiky ny 20 mey fa ny mba haneken’ny sehatra iraisampirenena ny hitantanany ny fifidianana.

Tsy misy antenaina koa ?

Ny mpifanandrina amin’izao fahefana izao koa eo andanin’izay dia tsy manana hantenaina firy intsony ny amin’ny fomba hikarakarana ny fifidianana ho avy. Ary hita soritra amin’ny hevitra nivoaka tato ho ato koa fa tsy mino izay mety ho tohin’ny fivoriana amin’ny 20 mey izao ry zareo. Tsy maintsy hanangana ny tetezamita tena ifanarahana izy ireo ary efa nambarany fa haseho amin’ny alalan’ny rodoben’ny mpiray tanindrazana izany. Dia tsy manana halahatra intsony tokoa izany ny mpanao politika eto Madagasikara eto fa miankina amin’ny kisendrasendra sy ny mana milatsaka avy any an-danitra any sisa ny fironan-kevitra tohanan’ny tsirairay avy. Raha ny momba ny volavolan-dalàna fehizoro aroso eny anivon’ny andri-pitondrana mpanao lalàna ohatra, dia tsy fotoana ve izao hisian’ny ady hevitra tena hifantohana amin’izany ? Saingy resaka sy vavabe fotsiny no misy satria ilay fahefana mamolavola ny lalàna mihitsy no tsy hifampitokisana sy ifampitsikeràna dia miverin-dalana hatrany ny dinika eo amin’ny ady hevitra. Valala voatango tanteraka ny mpanao politika malagasy : Very fanahy, lany fanahy, ary dia manao fanahy iniana sy mikiry biby amin’ny hevi-diso.

 

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra